-
‘Nankasitrahan’Andriamanitra’ ny Fanomezana Nataon’izy IreoNaverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
‘Nankasitrahan’Andriamanitra’ ny Fanomezana Nataon’izy Ireo
HEVITRA HODINIHINA: Nasehon’i Jehovah hoe inona no takiny amin’izay manaraka ny fivavahana madio
1-3. a) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Inona ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?
NANDINIKA tsara ny andian’ondriny i Abela. Vao teraka ireo ondriny ireo dia efa nokarakarainy tsara. Nifidy sasantsasany tamin’ireo izy mba hovonoina, dia nataony fanomezana ho an’Andriamanitra. Anisan’ny fanompoany an’Andriamanitra io fanomezana io. Neken’i Jehovah ve ilay izy na dia avy tamin’olombelona tsy lavorary aza?
2 Nilaza ny apostoly Paoly hoe ‘nankasitraka ny fanomezana nataon’i Abela Andriamanitra.’ Nolaviny anefa ny fanomezana nataon’i Kaina. (Vakio ny Hebreo 11:4.) Fa maninona no nankasitrahan’Andriamanitra ny fanomezan’i Abela fa nolaviny ny an’i Kaina? Inona no ianarantsika avy amin’i Kaina sy Abela ary ny olon-kafa resahina ao amin’ny Hebreo toko faha-11? Rehefa fantatsika ny valin’ireo, dia hazava kokoa amintsika hoe inona no takin’i Jehovah amin’izay manaraka ny fivavahana madio.
-
-
‘Nankasitrahan’Andriamanitra’ ny Fanomezana Nataon’izy IreoNaverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
Fa maninona no nolavin’Andriamanitra ny fanompoan’i Kaina?
4, 5. Inona no nahatonga an’i Kaina hieritreritra hoe i Jehovah no tokony hanolorany fanomezana?
4 Vakio ny Genesisy 4:2-5. Fantatr’i Kaina hoe ho an’i Jehovah ilay fanomezana ataony. Afaka nianatra momba an’i Jehovah izy sady nanam-potoana be dia be hanaovana an’izany. Efa ho 100 taona angamba izy sy Abela tamin’izy ireo nanolotra an’ilay fanomezana.a Mbola kely izy roa lahy dia nahafantatra ny zaridainan’i Edena, ary mety ho efa hitany avy lavitra mihitsy aza io zaridaina tsara tarehy sady feno zavamaniry io. Azo antoka fa efa hitan’izy ireo koa ny kerobima nisakana ny fidirana tao. (Gen. 3:24) Azo inoana koa fa niteny tamin’izy roa lahy ny ray aman-dreniny hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra, ary tsy hoatran’ny zavatra niainan-dry zareo ny fikasany ho an’ny olombelona. (Gen. 1:24-28) Ry zareo mantsy nijaly sy nihantitra ary tsy maintsy ho faty. Ireny rehetra ireny angamba no nahatonga an’i Kaina hieritreritra hoe tokony ho an’Andriamanitra ilay fanomezana ataony.
5 Inona koa no mety ho nahatonga an’i Kaina hanolotra an’ilay fanomezana ho an’i Jehovah? Izy no lahimatoa, dia mety ho nieritreritra izy hoe izy ilay “taranaka” nolazain’i Jehovah hoe hanorotoro ny lohan’ilay “menarana” nitaona an’i Eva hanao safidy faran’izay ratsy. (Gen. 3:4-6, 14, 15; 4:1) Ankoatra an’izay, dia mbola niresaka tamin’ny olombelona ihany i Jehovah na dia efa nanota aza ry zareo. Rehefa avy nanota i Adama dia mbola niresaka taminy izy, ary azo inoana fa tamin’ny alalan’ny anjely no nanaovany an’izany. (Gen. 3:8-10) Niresaka tamin’i Kaina koa i Jehovah rehefa avy nanao an’ilay sorona izy. (Gen. 4:6) Azo inoana fa rehefa nieritreritra an’izany i Kaina dia nanatsoaka hevitra hoe mendrika hivavahana i Jehovah.
6, 7. Tsy nahafa-po ve ny hatsaran’ilay fanomezan’i Kaina na tsy nety ny fomba nanolorany azy? Hazavao.
6 Fa maninona àry no tsy nankasitrahan’i Jehovah ilay fanomezana nataon’i Kaina? Tsy nahafa-po ve ny hatsaran’ilay izy? Tsy miteny an’izany ny Baiboly. Milaza fotsiny izy io hoe “vokatry ny tany” no nomen’i Kaina. Nilaza i Jehovah tatỳ aoriana, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, hoe azo ekena io karazana sorona io. (Nom. 15:8, 9) Tadidio koa fa zavamaniry ihany no nohanin’ny olombelona tamin’izany. (Gen. 1:29) Tsy vitan’izany fa nozonin’Andriamanitra ny tany rehetra tany ivelan’i Edena, dia tsy maintsy niasa mafy i Kaina mba hahazoana an’io vokatra io. (Gen. 3:17-19) Sakafo tokony ho nohaniny mba hahavelona azy izany ilay vokatra sady efa niasa mafy izy mba hahazoana an’ilay izy. Mbola tsy nankasitrahan’i Jehovah ihany anefa ilay fanatitra.
7 Sao dia mba ny fomba nanolorany an’ilay fanomezana àry izany no tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah? Azo inoana fa tsy izany. Rehefa nanda an’ilay fanatitra mantsy i Jehovah, dia tsy niteny izy hoe tsy mety ny fomba nanoloran’i Kaina an’ilay izy. Tsy resahin’ny Baiboly akory aza hoe ahoana no fomba nanoloran’i Kaina sy Abela ny fanatitra nataony. Fa inona àry izany no olana?
Tsy tsara ny antony nanaovan’i Kaina sorona (Fehintsoratra 8, 9)
8, 9. a) Nahoana i Jehovah no tsy nankasitraka an’i Kaina sy ny sorona nataony? b) Inona no hitanao hoe mahavariana amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Kaina sy Abela?
8 Hitantsika ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo hoe tsy tsara ny antony nanaovan’i Kaina an’ilay fanatitra. Tsy nanam-pinoana izy. (Heb. 11:4; 1 Jaona 3:11, 12) Izay no nahatonga an’i Jehovah tsy hankasitraka ny fanatitra nataony. Tsy ilay fanatitra ihany anefa no tsy nankasitrahan’i Jehovah fa i Kaina mihitsy koa. (Gen. 4:5-8) Ray be fitiavana i Jehovah ka nanitsy an’io zanany io ary tsara fanahy rehefa nanao an’izany. Tsy nanaiky hahitsy anefa i Kaina, dia hoatran’ny hoe nailiny ny tanan’i Jehovah nefa i Jehovah mba te hanampy azy. Asan’ny nofo no nameno ny fon’i Kaina, izany hoe ‘fankahalana sy ady ary fialonana.’ (Gal. 5:19, 20) Nanao zavatra tsara mba hanompoana an’i Jehovah ihany izy, nefa tsy nisy dikany daholo izany satria ratsy ny tao am-pony. Ianarantsika avy amin’izany hoe raha tena te hanaraka ny fivavahana madio isika, dia tsy tokony ho etỳ ivelany ihany isika no hita hoe tia an’i Jehovah.
9 Be dia be ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Kaina. Hita ao, ohatra, izay nolazain’i Jehovah taminy sy izay navaliny an’i Jehovah. Na ny anaran’ny zanany sy ny zavatra sasany nataon’izy ireo aza hitantsika ao. (Gen. 4:17-24) Ary i Abela? Tsy resahin’ny Baiboly hoe nanan-janaka izy, ary tsy misy voasoratra ao izay nolazainy. Na izany aza dia mandray lesona avy amin’izay nataony isika amin’izao.
Modely ho an’izay manaraka ny fivavahana madio i Abela
10. Nahoana i Abela no modely ho an’izay manaraka ny fivavahana madio?
10 I Jehovah no nanoloran’i Abela ny fanatitra nataony satria fantany hoe izy ihany no mendrika handray an’ilay izy. Ny tsara indrindra koa no nomeny satria nifidy “zanak’ondry vitsivitsy tamin’ny andian’ondriny izy, ka izay teraka voalohany no nentiny.” Ankoatra an’izay, dia nety ny fomba nanolorany an’ilay sorona na dia tsy voalazan’ny Baiboly aza hoe teo ambony alitara ve no nanolorany an’ilay izy sa tsia. Nankasitrahan’i Jehovah mantsy ilay sorona. Ny antony nanolorany an’ilay izy anefa no tena miavaka, ary mbola mandray lesona avy amin’izany isika na dia efa 6 000 taona eo ho eo atỳ aoriana aza. Inona izany antony izany? Nanam-pinoana izy sady tena tia ny fitsipik’i Jehovah. Ahoana no ahafantarantsika an’izany?
Fenon’i Abela ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio (Fehintsoratra 10)
11. Nahoana i Jesosy no nilaza hoe olo-marina i Abela?
11 Voalohany, nilaza i Jesosy hoe olo-marina i Abela. (Mat. 23:35) Zavatra hitan’ny masony mihitsy izany satria fantany tsara i Abela. Efa nisy tany an-danitra mantsy izy tamin’ny andron’i Abela, ary tena nahaliana azy ny mombamomba an’io zanak’i Adama io. (Ohab. 8:22, 30, 31; Jaona 8:58; Kol. 1:15, 16) Fa inona moa no atao hoe olo-marina? Ny olo-marina dia olona miaiky hoe i Jehovah no tokony hametraka fitsipika momba an’izay tsara sy ratsy, ary asehony amin’ny teniny sy ny ataony hoe manaiky an’ireny fitsipika ireny izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 1:5, 6.) Mila miezaka elaela ny olona iray vao azo antsoina hoe olo-marina. Azo antoka àry hoe talohan’ny nanoloran’i Abela an’ilay fanatitra, dia efa nampiseho tamin’ny fiainany izy hoe manaja ny fitsipik’i Jehovah. Tsy maintsy hoe sarotra taminy izao izany. Azo inoana mantsy hoe tsy modely ho azy i Kaina zokiny lahy, satria efa lasa ratsy ny tao am-pony. (1 Jaona 3:12) Ny mamany koa tsy nankatò ny didy mazava nolazain’Andriamanitra. Ny dadany indray nikomy tamin’i Jehovah satria te hanapa-kevitra irery momba an’izay tsara sy ratsy. (Gen. 2:16, 17; 3:6) Tena nila herim-po àry i Abela! Samy hafa be tamin’ny an’ny fianakaviany mantsy ny safidy nataony.
12. Inona no tena tsy nampitovy an’i Kaina sy Abela?
12 Faharoa, nampifandraisin’i Paoly ny hoe manam-pinoana sy manao ny marina. Nilaza izy hoe: “Finoana no nahatonga an’i Abela hanao sorona ho an’Andriamanitra, dia sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. Noho ny finoany, dia nahazo porofo izy hoe olo-marina.” (Heb. 11:4) Hita avy amin’ireo teny ireo fa tsy hoatran’i Kaina i Abela, satria nasehony teo amin’ny fiainany manontolo hoe tena nanam-pinoana izy sady natoky hoe ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra no mety indrindra.
13. Inona no ianarantsika avy amin’i Abela?
13 Asehon’ny tantaran’i Abela fa raha te hanaraka ny fivavahana madio isika, dia tokony ho antony tsara no hanaovantsika an’izany, izany hoe tokony hanam-pinoana isika sady hanaiky ny fitsipik’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Tsy ampy raha hoe indray mandeha fotsiny isika no mampiseho hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Raha te hanaraka ny fivavahana madio isika dia mila asehontsika amin’izay rehetra ataontsika izany, izany hoe eo amin’ny fiainantsika manontolo.
-