-
Manaova fanambarana ny amin’i Jehovah ary aza mba ketrakaNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Martsa
-
-
Fantatr’i Paoly izay nilain’izy ireo mba hanatanjaka ny finoany sy ny fitokiany an’i Jehovah ho Mpanampy azy. Amin’izay dia ho afaka ‘hihazakazaka amin’ny faharetana amin’ny fihazakazahana filokana napetraka eo anoloany’ izy ary ho afaka hiteny amim-pahatokiana hoe: “Jehovah no Mpamonjy [mpanampy, MN ] ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?” (Hebreo 12:1; 13:6).
-
-
Manaova fanambarana ny amin’i Jehovah ary aza mba ketrakaNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Martsa
-
-
11. Amin’izao andro izao, ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny “vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona”?
11 Rehefa avy niresaka ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika ireo i Paoly dia niteny hoe: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.” (Hebreo 12:1). Moa ve velona ao an-tsaintsika ireny Vavolombelona tsy nivadika fakan-tahaka ireny na dia mbola matory ao am-pasana aza izao? Moa ve ianao ampy fahalalana tsara ny aminy sy ny fanandraman-javatra hitany mba hamaliana hoe eny? Izany dia iray amin’ireo valisoa maro azon’ireo mianatra tsy tapaka ny Baiboly ka mampiasa ny vavahadin-tsainy rehetra mba hiainana indray ny fiainana nahavariana nananan’ireny “vavolombelona maro be toy ny rahona” ireny. Eny, ny fandatsahantsika am-po ny oha-pahatokiana navelany dia hanampy antsika tokoa handresy izay mety ho tsy fahampiam-pinoana.
-