FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Septambra
    • 17. a) Fitsapana inona avy no niaretan’i Jesosy? b) Avy amin’inona no mety ho azo akana sary an-tsaina ilay fijaliana mafy niaretan’i Jesosy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      17 Mampirisika antsika “hifantoka tsara” amin’i Jesosy sy ‘hieritreritra tsara’ ny aminy ny Baiboly. Fitsapana inona avy no niaretany? Ny sasany tamin’izany dia vokatry ny ota sy ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Tsy vitan’ny hoe niaritra ny “fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota” i Jesosy fa niaritra koa ireo zava-nanahirana izay nipoitra teo amin’ireo mpianany, anisan’izany ny fifandiran’izy ireo niverimberina ny amin’ny hoe iza no lehibe indrindra. Ambonin’izany, dia tojo fisedrana tsy roa aman-tany ny finoany, izy. ‘Niaritra ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana’ izy. (Hebreo 12:1-3, DIEM; Lioka 9:46; 22:24). Sarotra na dia ny maka sary an-tsaina fotsiny aza ny fijaliana ara-tsaina sy ara-batana tafiditra tamin’ilay fanaintainan’ny famantsihana sy ilay fahafaham-baraka avy amin’ny hoe novonoina toy ny mpiteny ratsy.a

      18. Araka ny apostoly Paoly, inona avy ireo zavatra roa izay nanohana an’i Jesosy?

      18 Inona no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hiaritra hatramin’ny farany? Nanonona zavatra roa izay nanohana an’i Jesosy ny apostoly Paoly: “fivavahana sy fangatahana” ary koa “ny fifaliana napetraka teo anoloany”. I Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra lavorary, dia tsy menatra ny nangataka fanampiana. Nivavaka tamin’ny ‘fitarainana mafy sy ranomaso be’ izy. (Hebreo 5:7; 12:2). Rehefa nanatona indrindra ilay fitsapana tampony dia hitany fa tena nilaina ny nivavaka mba hahazoana tanjaka tamin’ny fomba niverimberina sy tamin-kafanam-po. (Lioka 22:39-44). Ho valin’ny fitalahoan’i Jesosy, dia tsy nanala ilay fitsapana akory i Jehovah, fa nanome azy hery mba hiaretana izany. Niaritra koa i Jesosy noho izy nijery tany ankoatran’ilay hazo fijaliana, tany amin’ilay valisoany — ny fifaliana ho azony noho ny fandraisana anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, ary noho ny fanavotana ny fianakavian’olombelona amin’ny fahafatesana. — Matio 6:9; 20:28.

  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Septambra
    • 20 Indraindray isika dia tsy maintsy miaritra amin-dranomaso. Ho an’i Jesosy, ilay fanaintainana teo amin’ny hazo fijaliana dia tsy antony nampifaly tamin’ny naha-izany azy fotsiny. Ilay fifaliana kosa dia tao amin’ilay valisoa izay napetraka teo anoloany. Raha ny amintsika, dia tsy ho fijerena ny zava-misy ny fanantenana fa ho falifaly sy ho ravoravo lalandava isika rehefa mandalo fitsapana. (Ampitahao amin’ny Hebreo 12:11.) Amin’ny fibanjinana mialoha ny valisoa anefa, dia mety ho azontsika ‘atao ho fifaliana avokoa’ izany, na dia rehefa sendra tarehin-javatra faran’izay misedra aza isika. (Jakoba 1:2-4; Asan’ny Apostoly 5:41).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara