FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mitandrema Amin’ny Tsy Fahampiam-pinoana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 15 Jolay
    • Ilay lehibe kokoa noho i Mosesy

      8. Rehefa nilaza ilay teny voarakitra ao amin’ny Hebreo 3:1 i Paoly, dia nampirisihiny hanao inona ireo Kristianina toa azy?

      8 Nanoratra toy izao i Paoly raha niresaka ny amin’ny hevitra tena lehibe iray: “[Diniho, NW ] ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy”. (Hebreo 3:1). Ny hoe ‘mandinika’ dia midika hoe “mahatakatra mazava (...), mahazo ny heviny feno, mandinika akaiky”. (Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words). Araka izany, dia nampirisika ireo mpiray finoana taminy i Paoly mba hiezaka mafy hahatakatra marina ny anjara asan’i Jesosy teo amin’ny finoan’izy ireo sy ny famonjena azy ireo. Ny fanaovan’izy ireo izany dia hanatanjaka ny fahatapahan-keviny hiorina mafy amin’ny finoana. Inona àry no anjara asan’i Jesosy, ary nahoana isika no tokony ‘handinika’ azy?

      9. Nahoana i Paoly no niresaka an’i Jesosy ho “Apostoly” sy “Mpisoronabe”?

      9 Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy ilay teny hoe “Apostoly” sy “Mpisoronabe”. Ny “Apostoly” dia iraka, ary eto izy io dia manondro ilay fitaovana entin’Andriamanitra mampita hevitra amin’ny olombelona. Ny “Mpisoronabe” dia olona izay amin’ny alalany no ahafahana manatona an’Andriamanitra. Tena ilaina eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina ireo fandaharana roa ireo, ary i Jesosy no sary velona mampiseho azy ireo. Izy ilay nirahina avy tany an-danitra mba hampianatra ny olombelona ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. (Jaona 1:18; 3:16; 14:6). I Jesosy ihany koa no voatendry ho Mpisoronabe nasehon’ny tandindona, ao amin’ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy izay natao mba hisian’ny famelan-keloka. (Hebreo 4:14, 15; 1 Jaona 2:1, 2). Raha tena mankasitraka ireo fitahiana azontsika amin’ny alalan’i Jesosy isika, dia hanana ilay herim-po sy fahatapahan-kevitra hiorina mafy hatrany amin’ny finoana.

  • Mitandrema Amin’ny Tsy Fahampiam-pinoana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 15 Jolay
    • 11, 12. Inona no nampirisihan’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo mba hohazonina “mafy hatramin’ny farany”, ary ahoana no ahafahantsika mampihatra ny toroheviny?

      11 Marina tokoa fa nanana toerana nisy tombontsoa tena manokana ireo Kristianina hebreo. Nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo fa “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” izy ireo, ary izany dia tombontsoa tokony hoheverina ho sarobidy mihoatra noho ny zavatra rehetra natolotry ny fandehan-javatra jiosy. (Hebreo 3:1). Tsy maintsy ho nahavelom-pankasitrahana an’ireo Kristianina voahosotra ireo ny tenin’i Paoly, satria tsara toerana mba hahazo lova vaovao izy ireo, fa tsy halahelo noho ny namoizany zavatra nifandray tamin’ny lovany tamin’ny naha Jiosy azy. (Filipiana 3:8).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara