-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Oktobra
-
-
Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany.”—Hebreo 4:9-11.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Oktobra
-
-
Hiverenantsika ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo. Hitantsika eo fa nasehony hoe “mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra”, ary nampirisihiny ny namany kristianina mba hanao izay farany azo atao ‘hidirana amin’izany fitsaharana izany.’ Midika izany fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly an’ireo teny ireo, dia mbola nitohy ny “andro fahafito” fitsaharan’Andriamanitra, izay efa nanomboka 4 000 taona talohan’izay. Tsy hifarana izy io raha tsy tanteraka daholo ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy ny tany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, ilay “Tompon’ny Sabata.”—Matio 12:8; Apokalypsy 20:1-6; 21:1-4.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Oktobra
-
-
Niaritra fanenjehana maro sy fanarabiana noho ny finoany ny Kristianina hebreo tany Jerosalema. Koa azo antoka fa nampahery azy ireo ny fanazavan’i Paoly momba ny fitsaharan’Andriamanitra, sy ny fomba hidirana amin’izany. (Asan’ny Apostoly 8:1; 12:1-5) Mbola mampahery ny Kristianina amin’izao andro izao koa ny tenin’i Paoly. Fantatsika fa ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenan’Andriamanitra hanorina paradisa eto an-tany, eo ambanin’ny Fanjakany hampihatra ny rariny. Koa tokony hitsahatra amin’ny asantsika koa isika, ka hanao izay farany azo atao mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra.—Matio 6:10, 33; 2 Petera 3:13.
-