FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Loza Voalohany: Ny Valala
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • “Ary nilazana izy ireo mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany na ny zavamaniry na ny hazo, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany.

  • Loza Voalohany: Ny Valala
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Apokalypsy 9:4

  • Loza Voalohany: Ny Valala
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 10. a) Iza no tena nasiana tamin’ilay loza, ary inona no vokany teo amin’izy ireo? b) Inona ilay fampijaliana resahina eto? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      10 Mariho fa tsy ny “zavamaniry na ny hazo” no tena nasiana tamin’ilay loza, izany hoe tsy ny vahoaka na ny olona manan-daza eo amin’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 8:7.) Ireo tsy misy tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany no hiharan’ilay loza, izany hoe ireo anisan’ny Kristianisma Anarana, izay mihambo ho voaisy tombo-kase nefa manao zavatra mifanohitra amin’izany. (Efesianina 1:13, 14) Ny mpitondra fivavahana àry no tena mijaly noho ny fanambarana ataon’ireo valala ankehitriny. Tsy maintsy ho nijaly ireny mpirehareha ireny, rehefa nandre ny filazana ampahibemaso hoe tsy hahatarika ny ondriny ho any an-danitra izy ireo, sady tsy ho lasa any akory!d Tena ‘jamba mitarika jamba’ tokoa izy ireo!—Matio 15:14.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara