-
Loza Voalohany: Ny ValalaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Ary ireo valala dia tsy navela hahafaty azy ireny, fa ny hampijaly azy dimy volana kosa. Ary ny fampijaliana azy dia toy ny fampijalian’ny maingoka rehefa mamely olona.
-
-
Loza Voalohany: Ny ValalaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
11. a) Hafiriana no avela hampijaly ny fahavalon’Andriamanitra ireo valala, ary nahoana no tsy fotoana fohy izany? b) Manao ahoana ny hamafin’ilay fampijaliana?
11 Naharitra dimy volana ilay fampijaliana. Fohy ve izany? Tsy fohy ny dimy volana amin’ny valala ara-bakiteny, satria izay no faharetan’ny fiainany manontolo. Manindrona ny fahavalon’Andriamanitra foana àry ireo valala an’ohatra ankehitriny, mandritra ny androm-piainany. Te ho faty mihitsy ireo olona ampijalin’ireo valala an’ohatra, satria mafy loatra ny fahoriany. Marina aloha fa tsy nisy tamin’izy ireo nanandrana namono tena. Tena mafy anefa ilay fampijaliana, satria toy ny fanafihana tsy an-kiato ataon’ny maingoka.
-
-
Loza Voalohany: Ny ValalaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
12. Nahoana ireo valala no nasaina hampijaly ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, fa tsy navela hamono azy ireo ho faty?
12 Nahoana no nasaina hampijaly izy ireo, fa tsy navela hamono ho faty? Vao fanombohana fotsiny io loza io, eo amin’ny fanalana sarona ny laingan’ny Kristianisma Anarana sy ny tsy fahombiazany. Rehefa mandeha elaela ny andron’ny Tompo vao tena hambara hoe maty ara-panahy izy ireo. Mandritra ny loza faharoa no maty ny ampahatelon’ny olona.—Apokalypsy 1:10; 9:12, 18; 11:14.
-