FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Loza Faharoa: Miaramila Mitaingin-tsoavaly
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 6. Inona no nolazain’i Jaona momba an’ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?

      6 ‘Ary roa alina ampitomboina iray alina no isan’ny miaramila mitaingin-tsoavaly: Reko ny isany. Ary toy izao no nahitako ireo soavaly tao amin’ilay fahitana sy izay nitaingina azy: Nanana fiarovan-tratra mena toy ny afo sy manga toy ny safira ary mavo toy ny solifara ireo nitaingina azy, ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona, ary nisy afo sy setroka sy solifara nivoaka avy tamin’ny vavany. Ireto loza telo ireto no namonoana ho faty ny ampahatelon’ny olona, dia avy tamin’ny afo sy ny setroka ary ny solifara nivoaka avy tamin’ny vavan’ny soavaly.’—Apokalypsy 9:16-18.

      7, 8. a) Miriotra eo ambany fitarihan’iza ireo mpitaingin-tsoavaly? b) Inona no itovizan’ireo mpitaingin-tsoavaly amin’ireo valala teo alohany?

      7 Miriotra eo ambany fitarihan’ireo anjely efatra, ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Mampahatahotra tokoa izany! Ahoana no hataonao, raha ianao no hotafihin’izy ireo? Mampahatahotra, na dia ny endrik’izy ireo fotsiny aza. Voamarikao ve anefa fa misy itovizana ireo soavaly sy ireo valala teo alohany? Toy ny soavaly ireo valala, fa tena soavaly kosa no itaingenan’ireo miaramila. Samy manao ady ho an’i Jehovah àry izy ireo. (Ohabolana 21:31) Manana nify toy ny an’ny liona ireo valala, fa manan-doha toy ny an’ny liona kosa ireo soavaly. Samy mifandray amin’ilay Liona be herim-po avy amin’ny fokon’i Joda, dia i Jesosy Kristy àry izy ireo, satria izy no Mpitarika sy Modely ary Lehiben’izy ireo.—Apokalypsy 5:5; Ohabolana 28:1.

      8 Samy mandray anjara amin’ny fitsaran’i Jehovah ireo valala sy ireo soavaly. Avy ao anaty setroka ireo valala, ka midika izany fa hiharan-doza sy haringana amin’ny afo ny Kristianisma Anarana. Nisy afo sy setroka ary solifara kosa avy teo am-bavan’ireo soavaly. Nanao fiarovan-tratra vy ireo valala, ka midika izany hoe miaro ny fon’izy ireo ny fifikirany mafy amin’ny fahitsiana. Manao fiarovan-tratra miloko mena sy manga ary mavo kosa ireo mpitaingin-tsoavaly, ka izany dia mifanitsy amin’ny afo sy setroka ary solifara, na ny hafatra momba ny fandringanana lazain’ny vavan’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Genesisy 19:24, 28; Lioka 17:29, 30.) Nanana rambo toy ny maingoka ireo valala, mba hampijaliana, fa nanana rambo toy ny bibilava kosa ireo soavaly mba hamonoana ho faty! Toa ny asa natombok’ireo valala no hohamafisin’ireo mpitaingin-tsoavaly sy hovitainy.

      9. Iza ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?

      9 Iza àry ireo miaramila mitaingin-tsoavaly ireo? Nanomboka nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Kristianisma Anarana ireo voahosotra toa an’i Jaona, sady nomena fahefana ‘hanindrona sy hampanaintaina.’ Izy ireo koa àry no azo inoana fa hampiasaina ‘hamono ho faty’, izany hoe hanambara fa maty ara-panahy tanteraka ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra fivavahany, sady nolavin’i Jehovah, ka mendrika horinganina mandrakizay ao amin’ny “lafaoro mirehitra.” Tsy maintsy ho ringana tokoa i Babylona Lehibe manontolo. (Apokalypsy 9:5, 10; 18:2, 8; Matio 13:41-43) Mampiasa ny “sabatry ny fanahy, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra” anefa ireo voahosotra, alohan’ilay fandringanana, mba hampiharihariana fa maty ara-panahy ny Kristianisma Anarana. Ireo anjely efatra sy ireo mpitaingin-tsoavaly no mitarika an’izany famonoana ho faty ny “ampahatelon’ny tany” izany. (Efesianina 6:17; Apokalypsy 9:15, 18) Midika izany fa voalamina tsara sy manaraka toromarika ireo mpitory ilay Fanjakana vonona ho amin’ny ady, eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy Tompo.

      Roa alina ampitomboina iray alina

      10. Nahoana no lazaina hoe nisy roa alina ampitomboina iray alina ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?

      10 Nahoana no lazaina fa roa alina ampitomboina iray alina ireo miaramila mitaingin-tsoavaly? Misy 200 tapitrisa izy ireo, raha izay no jerena.a Marina fa an-tapitrisany izao ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy 200 tapitrisa izy ireo, na izany aza! Tadidio anefa ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Nomery 10:36, hoe: “Miverena, Jehovah ô, ho amin’ny Isiraely tsy omby alinalina.” (Ampitahao amin’ny Genesisy 24:60.) Raha adika ara-bakiteny izany dia hoe ‘Miverena ho amin’ny Israely am-polony tapitrisa.’ Roa na telo tapitrisa monja anefa ny Israely tamin’ny andron’i Mosesy. Inona àry no tian’i Mosesy nolazaina tamin’ny hoe “alinalina”? Tsaroany angamba fa tsy ho hita isa ny Israely, sahala amin’ny “kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina.” (Genesisy 22:17; 1 Tantara 27:23) Nampiasa ilay teny hoe “alinalina” àry izy mba hanondroana isa maro, nefa tsy voafetra. Izany no antony andikan’ny Baiboly Anglisy Vaovao an’io andininy io hoe: “Mijanòna, TOMPO, amin’ireo an’arivony tsy hita isa eo amin’ny Israely.” Mitovy amin’izany ny famaritana omen’ny diksionera grika sy hebreo an’ilay teny nadika hoe “alinalina” eto, dia ny hoe “vahoaka tsy hita isa”, na “vahoaka maro be.”—Diksionera Grika-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao Nataon’i Thayer; Diksionera Hebreo-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao, nataon’i Gesenius, ary nadikan’i Edward Robinson.

      11. Inona no ilaina mba hahatonga an’ireo voahosotra toa an’i Jaona hahafeno an’ilay isa ao amin’ny Apokalypsy, na dia tsy ara-bakiteny aza io isa io?

      11 Latsaka ny iray alina anefa ireo voahosotra toa an’i Jaona mbola eto an-tany, izany hoe vitsy lavitra noho ilay isa ao amin’ny Apokalypsy. Nahoana àry izy ireo no ampitahaina amin’ny mpitaingin-tsoavaly tsy hita isa? Mbola mila olona fanampiny ihany izy ireo na tsy raisina ara-bakiteny aza ilay isa. Tena tsara fanahy tamin’izy ireo i Jehovah, ka nanome olona fanampiny. Iza anefa izany?

      12, 13. Inona no nitranga tamin’ny 1918 hatramin’ny 1935, ka manondro an’ireo olona fanampin’ireo voahosotra?

      12 Noresahin’ny voahosotra tamin’ny 1918 hatramin’ny 1922 ilay fanantenana ho an’ny olona mijaly, hoe “olona an-tapitrisany velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy.” Nampahafantarina tamin’ny 1923 koa fa hiaina eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo ondry ao amin’ny Matio 25:31-34. Niresaka momba izany fanantenana izany koa ny bokikely Fahafahana ho An’ny Vahoaka, navoaka tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1927. Nolazaina taoriana kelin’ny 1930 fa ireo ondry hiaina eto an-tany ihany no Jonadaba olo-marina, sy ireo ‘olona misento sy mitaraina’ noho ny aretina ara-panahin’ny Kristianisma Anarana. (Ezekiela 9:4; 2 Mpanjaka 10:15, 16) Natoro azy ireny fa ny fandaminan’Andriamanitra no toy ny “tanàna fandosirana” ankehitriny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1934 momba izany: “Nandre ny trompetran’Andriamanitra ireo Jonadaba, ary nanaraka ilay fampitandremana, ka nandositra ho ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra miaraka amin’ny vahoakany, ary tsy maintsy mijanona ao.”—Nomery 35:6.

      13 Nasaina manokana ireo Jonadaba, tamin’ny 1935 mba hanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, any Etazonia. Nanao ilay lahateny nalaza hoe “Ny Vahoaka Be” i Rutherford, ny zoma 31 Mey. Nolazainy mazava fa ireo ondry ao amin’ny Matio 25:33 ihany io antokon’olona resahin’ny Apokalypsy 7:9 io, dia ireo olona vita fanoloran-tena, hiaina eto an-tany. Nisy 840 ny Vavolombelona natao batisa tamin’io, ka anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany.b Santatry ny fitomboana ho avy izany.

      14. Nandray anjara tamin’ny fanafihan’ireo miaramila mitaingin-tsoavaly ve ny vahoaka be, ary inona no fanapahan-kevitra nambara tamin’ny 1963?

      14 Nanomboka nanafika ireo miaramila mitaingin-tsoavaly tamin’ny 1922, ary nanamafy izany ilay fivoriambe tany Toronto tamin’ny 1927. Nandray anjara tamin’io fanafihana io ve ny vahoaka be? Izany tokoa, teo ambany fitarihan’ireo anjely efatra na ireo voahosotra toa an’i Jaona, izy ireo! Niara-nandany fanapahan-kevitra iray lehibe tamin’ireo voahosotra izy ireo, tamin’ny fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, natao tamin’ny faritra maro eran-tany tamin’ny 1963. Nolazaina tamin’io fa izao tontolo izao dia “hiatrika horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy hatrizay, ka ho rava tanteraka ny rafitra ara-politika rehetra sy Babylona na ny fivavahan-diso ankehitriny.” Izao no fanapahan-kevitra tamin’izay: “Hambarantsika amin’ny olona tsy an-kanavaka foana ny ‘vaovao tsara mandrakizay’ momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny didim-pitsarany. Ho loza ho an’ny fahavalony izany, fa hanafaka an’ireo rehetra te hivavaka amin’ny mpamorona araka fanahy sy ny fahamarinana kosa.” Nanaiky tamin-kafanam-po an’io fanapahan-kevitra io ny mpanatrika ireo fivoriambe 24 eran-tany. Nisy 454 977 ny tontalin’izy ireo, ka anisan’ny vahoaka be ny 95 isan-jatony.

      15. a) Firy isan-jaton’ny mpitory nampiasain’i Jehovah teny amin’ny saha ny vahoaka be, tamin’ny 2005? b) Ahoana no ilazan’ny vavak’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:20, 21 ny firaisan-tsain’ny vahoaka be sy ny voahosotra?

      15 Miaraka tanteraka amin’ny voahosotra foana ny vahoaka be, ka manambara ireo loza ho an’ny Kristianisma Anarana. Anisan’io vahoaka be io ny 99,8 isan-jaton’ireo mpitory nampiasain’i Jehovah teny amin’ny saha, tamin’ny 2005. Miray saina tanteraka amin’ny voahosotra izy ireo, araka ny vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:20, 21 manao hoe: “Tsy ho an’ireto ihany anefa no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny, mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo, ka hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy.” Ny voahosotra no mitarika eo ambany fiahian’i Jesosy, ary mazoto manaraka azy ireo ny vahoaka be, amin’ilay fanafihana lehibe indrindra ataon’ny miaramila mitaingin-tsoavaly!c

  • Loza Faharoa: Miaramila Mitaingin-tsoavaly
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • a Hoy ny boky Fanazavana ny Apokalypsy (anglisy), nataon’i Henry Barclay, momba ilay isa hoe “roa alina ampitomboina iray alina”: “Be loatra ilay isa, ka tsy azo inoana hoe isa ara-bakiteny. Manamarina izany koa ny teny manodidina.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara