FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mitarika ny Fiangonany i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Martsa
    • 5, 6. a) Manondro inona ireo “fanaovan-jiro volamena fito” sy “kintana fito” ao amin’ny fahitana azon’ny apostoly Jaona? b) Inona no dikan’ilay hoe eo an-tanana ankavanan’i Jesosy ireo “kintana fito”?

      5 Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa i Jesosy Kristy mihitsy no mifehy ny mpanompo mahatoky sy malina. Tao amin’ny fahitana momba ny “Andron’ny Tompo”, dia nahita “fanaovan-jiro volamena fito” ny apostoly Jaona, “ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona” nitana “kintana fito teny an-tànany ankavanana.” Nohazavain’i Jesosy toy izao tamin’i Jaona ilay fahitana: “Dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.”—Apokalypsy 1:1, 10-20.

      6 “Ny fanaovan-jiro volamena fito” dia manondro ny tena fiangonana kristianina rehetra misy mandritra ny “Andron’ny Tompo”, nanomboka tamin’ny 1914. Fa inona kosa ireo “kintana fito”? Tamin’ny voalohany, izy ireo dia nanondro ny mpiandraikitra rehetra voahosotra sy nateraky ny fanahy, izay nikarakara ireo fiangonana tamin’ny taonjato voalohany.a Teny an-tanana ankavanan’i Jesosy ireo mpiandraikitra, izany hoe izy no nifehy sy nanome toromarika azy ireo. Eny, nitarika ilay mpanompo i Kristy Jesosy. Vitsy anefa ireo mpiandraikitra voahosotra ankehitriny. Ahoana àry no itarihan’i Kristy ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 93 000 maneran-tany?

      7. a) Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny Filan-kevi-pitantanana mba hitarihana ny fiangonana rehetra eran-tany? b) Nahoana no azo lazaina fa notendren’ny fanahy masina ireo mpiandraikitra kristianina?

      7 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia misy Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, misolo tena ny mpanompo mahatoky sy malina. Lehilahy vitsivitsy mahafeno fepetra sady mpiandraikitra voahosotra no mahaforona azy io. Mampiasa an’io Filan-kevi-pitantanana io ilay Mpitarika antsika mba hanendrena lehilahy mahafeno fepetra ho anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Mety ho voahosotry ny fanahy na tsia ireo anti-panahy ireo. Tena mandray anjara lehibe amin’izany ny fanahy masina. Nomen’i Jehovah fahefana hampiasa azy io i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 2:32, 33) Voalohany, ireo mpiandraikitra ireo dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandrin’ny fanahy masina. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9; 2 Petera 1:20, 21) Aorian’ny vavaka sy eo ambany tari-dalan’ny fanahy masina no atao ny fanolorana sy ny fanendrena. Hita tsara koa fa mampiseho ny vokatr’io fanahy io ireo voatendry. (Galatiana 5:22, 23) Mihatra amin’ny anti-panahy rehetra àry izao torohevitr’i Paoly izao, na voahosotra izy ireo na tsia: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina.” (Asan’ny Apostoly 20:28) Mahazo toromarika avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ireo lehilahy voatendry ireo, ary miandry ny fiangonana an-tsitrapo. Amin’izany heviny izany no ilazana fa momba antsika i Kristy ankehitriny sady tena mitarika ny fiangonana.

  • Mitarika ny Fiangonany i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Martsa
    • a Tsy manondro anjely ara-bakiteny ireo “kintana” ireo. Azo antoka fa tsy olombelona no hampiasain’i Jesosy mba hanoratra toromarika ho an’ny zavaboary ara-panahy tsy hita maso. Noho izany, ireo “kintana” ireo dia tsy maintsy manondro olombelona izay mpiandraikitra na anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, sady mpitondra hafatr’i Jesosy. Milaza zavatra feno, araka ny fihevitr’Andriamanitra, ny isan’izy ireo hoe fito.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara