-
Miady Amin’ny Biby Masiaka RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Ary ilay bibidia hitako dia tahaka ny leopara, fa ny tongony tahaka ny an’ny orsa, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona. Ary ilay dragona dia nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.”—Apokalypsy 13:1b, 2.
3. a) Inona avy ireo biby masiaka hitan’i Daniela mpaminany? b) Manondro inona ireo biby lehibe ao amin’ny Daniela 7?
3 Inona io biby sampona io? Mamaly izany ny Baiboly. Nahazo fahitana momba ny biby masiaka i Daniela, talohan’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Resahiny ao amin’ny Daniela 7:2-8 ny biby efatra avy tamin’ny ranomasina. Ny voalohany dia nitovy tamin’ny liona, ny faharoa tamin’ny orsa, ny fahatelo tamin’ny leopara, ary “indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ... sady nanana tandroka folo.” Mitovy be amin’ilay bibidia hitan’i Jaona tamin’ny taona 96 izany. Misy itoviany amin’ny liona sy orsa ary leopara koa izy io, ary nanana tandroka folo. Inona ireo biby lehibe hitan’i Daniela? Hoy izy: “Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.” (Daniela 7:17) Manondro “mpanjaka”, na fitondrana ara-politika, tokoa ireo biby.
-
-
Miady Amin’ny Biby Masiaka RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
8. Nahoana no tsy tokony hanafintohina ny fampitahana ny fanjakana matanjaka anglisy-amerikanina amin’ny bibidia?
8 Tsy manafintohina ve ny miantso an’ireo fitondrana ara-politika hoe bibidia? Nilaza izany ny mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II, rehefa niadiana tany amin’ny fitsarana eran-tany ny maha ara-dalàna azy ireo. Eritrereto anefa izao: Moa ve tsy ireo firenena ihany no mampiasa biby na bibidia ho famantarana ny fireneny? Liona, ohatra, ny an’i Grande-Bretagne, voromahery ny an’i Etazonia, ary dragona ny an’i Chine. Koa nahoana àry no tsy hekena raha bibidia no ampiasain’ilay Loharanon’ny Baiboly Masina hanondroana firenena matanjaka?
9. a) Nahoana no tokony hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? b) Ahoana no ilazana an’i Satana ao amin’ny Baiboly, ary inona no heriny eo amin’ireo fitondram-panjakana?
9 Nahoana koa àry no tsy hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? Andriamanitra no niteny izany, ary ‘tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny sy tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana’ ireo firenena, eo anatrehany. Tsy aleon’ireo firenena ve mitady sitraka amin’Andriamanitra, toy izay ho tezitra ny amin’ny fomba ilazan’ny faminaniany momba azy ireo? (Isaia 40:15, 17; Salamo 2:10-12) Tsy araka izay lazain’ny olona hoe mampijaly ny fanahin’ny maty ao amin’ny afobe i Satana. Tsy misy ny toerana toy izany. Lazain’ny Soratra Masina kosa fa “anjelin’ny mazava” izy, izany hoe mpamitaka raindahiny sy manan-kery lehibe eo amin’ny raharaha politika.—2 Korintianina 11:3, 14, 15; Efesianina 6:11-18.
-
-
Miady Amin’ny Biby Masiaka RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Mariho koa fa ilay dragona no “nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.” (Ampitahao amin’ny Lioka 4:6.) Rafitra politika noforonin’i Satana teo anivon’ny olombelona ilay bibidia. I Satana tokoa no “mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 12:31.
-