FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Ary navela hanome fofonaina an’ilay sarin’ny bibidia izy, mba hiteny ilay sary sady hampamono ho faty izay rehetra tsy nety nivavaka taminy mihitsy.”—Apokalypsy 13:14, 15.

  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Manome aina an’ilay sary ilay bibidia manan-tandroka roa, mba hahavelona azy io sy hananany anjara toerana eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

      30, 31. a) Iza ilay sary, rehefa jerena ny tantara? b) Nisy novonoina ve, satria tsy nety nivavaka tamin’ilay sary? Hazavao.

      30 Rehefa jerena ny tantara, dia ny Fikambanam-pirenena no mifanitsy amin’ilay sary. I Grande-Bretagne sy Etazonia no nanolo-kevitra sy nampirisika ny hanorenana an’io fikambanana io, ary nanohana azy io. Bibidia velona mena midorehitra sady mahaleo tena izy io ao amin’ny Apokalypsy toko 17. ‘Miteny’ io fikambanana iraisam-pirenena io, izany hoe mirehareha ho hany afaka mitondra fandriampahalemana sy filaminana ho an’ny olombelona. Mifamaly sy mifanompa fotsiny anefa no ataon’ireo firenena mpikambana ao. Rahonany hailikilika, hatoka-monina tsy afaka mifandray amin’iza na iza, ny firenena na vahoaka tsy manaiky ny fahefany. Noroahin’ny Fikambanam-pirenena tsy ho mpikambana tao aminy tokoa izay firenena tsy nanaiky ny firehan-keviny. Eo am-piandohan’ny fahoriana lehibe, dia handravarava tokoa ireo ‘tandroky’ ny sarin’ilay bibidia, satria hampiasa ny tafiny izy ireo.—Apokalypsy 7:14; 17:8, 16.

      31 Namono olona io sarin’ny bibidia io, na ny Firenena Mikambana ankehitriny, taorian’ny Ady Lehibe II. Nandray anjara tamin’ny adin’i Korea Avaratra sy Korea Atsimo, ohatra, ny tafiky ny Firenena Mikambana, tamin’ny 1950. Namono Koreanina Tavaratra sy Sinoa 1 420 000 teo ho eo izy ireo, niaraka tamin’ny tafiky ny Koreanina Tatsimo. Niady tany Congo (Kinshasa) koa ny tafiky ny Firenena Mikambana, tamin’ny 1960-1964. Ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny Papa Paoly Faha-6 sy Jean-Paul II, dia nanamafy fa io sary an’ohatra io sisa no hany azo antenaina hitondra fandriampahalemana eto an-tany. Hifamono ny olombelona, hoy izy ireo, raha tsy manaiky azy io. Ireo mpitondra àry dia toy ny hoe mamono izay olona tsy mety manaraka an’ilay sary sy mivavaka amin’izy io.—Deoteronomia 5:8, 9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara