-
Iza no Mankany An-danitra?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Firy no hatsangana ho any an-danitra?
Milaza ny Baiboly fa hisy 144000 ireo hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 7:4) Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana “ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy.” (Apokalypsy 14:1-3) I Jesosy efa natsangana tamin’ny maty ilay “Zanak’ondry.” (Jaona 1:29; 1 Petera 1:19) Ilay “Tendrombohitra Ziona” kosa dia ny toerana ambony tanan’i Jesosy sy ny 144000 izay hiara-manjaka aminy any an-danitra.—Salamo 2:6; Hebreo 12:22.
Antsoina hoe “ondry vitsy” ireo “voantso sy voafidy” mba hiara-manjaka amin’i Kristy ireo. (Apokalypsy 17:14; Lioka 12:32) Midika izany fa vitsy izy ireo raha oharina amin’ny ondrin’i Jesosy rehetra.—Jaona 10:16.
-
-
Iza no Mankany An-danitra?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Hevi-diso: Tsy ara-bakiteny ilay isa 144000 resahin’ny Apokalypsy.
Ny tena marina: Marina fa misy isa tsy ara-bakiteny ao amin’ny Apokalypsy. Ara-bakiteny anefa, ohatra, ilay hoe “anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 21:14) Azo atao koa ny milaza fa ara-bakiteny ilay 144000. Diniho izao:
Resahin’ny Apokalypsy 7:4 fa “ny isan’ireo voaisy tombo-kase [na azo antoka fa ho any an-danitra], dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy.” Resahin’ny andininy eo aoriana kely anefa ny momba ny “vahoaka be tsy tambo isaina.” Hovonjen’Andriamanitra koa ireo anisan’io “vahoaka be” io. (Apokalypsy 7:9, 10) Raha tsy ara-bakiteny ilay 144000, fa ilazana olona be dia be fotsiny, dia tsy hita ny maha samy hafa azy amin’ilay hoe “vahoaka be.”a
Voalaza koa hoe ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra’ ireo 144000. (Apokalypsy 14:4) Santionany kely fotsiny ny hoe “voaloham-bokatra.” Mety tokoa izany mba hilazana an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy, satria vitsy kely izy ireo raha oharina amin’ny vahoaka tsy tambo isaina hoentiny eto an-tany.—Apokalypsy 5:10.
a Nilaza ny heviny momba ilay isa 144000 resahin’ny Apokalypsy 7:4 koa ny Profesora Robert Thomas. Hoy izy: ‘Isa voafaritra tsara izy io, tsy hoatran’ilay isa tsy voafaritra eo amin’ny 7:9. Raha tsy ara-bakiteny izy io, dia tsy hisy isa azo raisina ara-bakiteny ao amin’ilay boky.’—Apokalypsy 1:7: Fanazavana ny Apokalypsy (anglisy), pejy 474.
-