FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Ary nihira toa hira vaovao teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy izy ireo. Ary tsy nisy nahay izany hira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, izay novidina avy teto an-tany.” (Apokalypsy 14:2, 3)

  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 7. a) Inona ilay hira vaovao ao amin’ny Apokalypsy 14:3? b) Nahoana no lazaina fa vaovao ilay hira ao amin’ny Salamo 149:1 ankehitriny?

      7 Ary inona ilay “hira vaovao”? Efa hitantsika, rehefa nandinika ny Apokalypsy 5:9, 10 isika, fa momba ny zavatra hataon’ilay Fanjakan’i Jehovah ilay hira vaovao, sady mahakasika ny fikasany hanao ny Israely ara-panahy ho “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika”, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hira fiderana an’i Jehovah izy io, ary manambara zava-baovao tanterahiny amin’ny alalan’ny Israelin’Andriamanitra sy ho an’izy io. (Galatianina 6:16) Eken’ny Israely ara-panahy ny fanasan’ilay mpanao salamo hoe: “Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah, ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Aoka ny Isiraely hifaly amin’ny Mpanao azy; aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona.” (Salamo 149:1, 2) Marina fa efa an-jatony taona lasa no nanoratana ireo teny ireo, nefa nanjary nanana heviny vaovao izy ireo ankehitriny. Teraka tamin’ny 1914 ny Fanjakan’ny Mesia. (Apokalypsy 12:10) Nahazo hery vao ny vahoakan’i Jehovah, ka nazoto kokoa nitory ny “teny momba ilay fanjakana”, nanomboka tamin’ny 1919. Nandrisika azy ireo ny andinin-teny ho an’ilay taona (Isaia 54:17), ary nampahery azy ny fahazoany indray ny paradisa ara-panahy. Nanomboka ‘nihira tamin’ny fo niaraka tamin’ny mozika, ho an’i Jehovah’ àry izy ireo.—Efesianina 5:19.

      8. Nahoana no ireo 144 000 ihany no mahay ilay hira vaovao ao amin’ny Apokalypsy 14:3?

      8 Nahoana àry no ireo 144 000 ihany no nahay ilay hira ao amin’ny Apokalypsy 14:3? Satria hira momba ny zavatra niainan’ireo mpandova ny Fanjakan’Andriamanitra ilay izy. Izy ireo ihany no atsangana ho zanak’Andriamanitra sy voahosotry ny fanahy masina. Izy ireo no novidina avy teto an-tany mba ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra. Ary izy ireo ihany no ‘ho mpisorona, ka hiara-manjaka’ amin’i Jesosy Kristy arivo taona, mba hanao izay hahalavorary ny olona. Izy ireo no hita “nihira toa hira vaovao” teo anatrehan’i Jehovah.c Izy ireo ihany no miaina an’izany rehetra izany sy manana ireo fanantenana ireo, ka hafa mihitsy ny fankasitrahany an’ilay Fanjakana. Izany no ahaizany mihira momba azy io amin’ny fomba tsy hain’iza na iza tahafina.—Apokalypsy 20:6; Kolosianina 1:13; 1 Tesalonianina 2:11, 12.

      9. Inona no ataon’ny vahoaka be rehefa nandre ny hiran’ireo voahosotra, ary inona no fampirisihana narahin’izy ireo?

      9 Misy hafa koa anefa mihaino sy mampihatra ny zavatra lazain’ilay hira. Nandre ilay hiram-pandresena koa ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa, izay mihamaro hatrany nanomboka tamin’ny 1935. Nanjary te hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’ireo 144 000 izy ireo. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9) Marina fa tsy mitovy tanteraka amin’ilay hira vaovao ataon’ireo mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hiran’izy ireo. Mihira hira kanto koa anefa izy ireo, dia hira fiderana an’i Jehovah noho ireo zava-baovao tanterahiny. Manaraka izao fampirisihan’ny mpanao salamo izao izy ireo: “Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.”—Salamo 96:1-3, 7, 10; 98:1-9.

      10. Ahoana no ahafahan’ireo 144 000 mihira ‘eo anatrehan’ny’ anti-panahy 24?

      10 Ahoana no ahafahan’ireo 144 000 mihira ‘eo anatrehan’ny’ anti-panahy 24, nefa ireo 144 000 nahazo toerana any an-danitra ireo ihany no anti-panahy 24? Natsangana ho fanahy ireo “maty ao amin’i Kristy”, tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo. Efa any an-danitra àry izay Kristianina voahosotra nahatoky sy nandresy, ka manatanteraka asa toy ny nataon’ireo anti-panahy mpisorona anisan’ireo fizarana 24. Hita tao amin’ny fahitana momba ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo. (1 Tesalonianina 4:15, 16; 1 Tantara 24:1-18; Apokalypsy 4:4; 6:11) Mihira hira vaovao eo anatrehan’ny (na eo imason’ny) rahalahiny natsangana any an-danitra àry ny sisa amin’ireo 144 000 mbola eto an-tany.

      11. Nahoana ireo voahosotra mpandresy no sady lazaina hoe anti-panahy 24 no antsoina hoe 144 000?

      11 Mety hanontany koa isika hoe: Nahoana ireo voahosotra mpandresy no sady lazaina hoe anti-panahy 24 no antsoina koa hoe 144 000? Satria misy lafiny roa ijeren’ny Apokalypsy azy ireo. Ny anti-panahy 24 dia aseho foana eo amin’ny toerany manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah, ary mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. Izy ireo dia mifanitsy amin’ireo 144 000 manana toerana any an-danitra, na dia mbola eto an-tany aza ny sisa aminy. (Apokalypsy 4:4, 10; 5:5-14; 7:11-13; 11:16-18) Ny Apokalypsy toko 7 kosa dia mifantoka amin’ilay 144 000 novidina avy teo amin’ny olombelona. Hamafisin’io toko io ny fikasan’i Jehovah hanisy tombo-kase an’ireo anisan’ny Israely ara-panahy rehetra sy hamonjy vahoaka be tsy voaisa. Hamafisin’ny Apokalypsy toko 14 fa ho tafaraka amin’ilay Zanak’ondry any amin’ny Tendrombohitra Ziona ireo 144 000 rehetra. Ampahafantarina ao koa ny fepetra takina mba ho anisan’ny 144 000, araka ny ho hitantsika.d

  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 14. a) Nahoana no lazaina hoe “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ireo 144 000? b) Nahoana no azo antsoina hoe voaloham-bokatra koa ny vahoaka be?

      14 “Novidina avy teto an-tany” ireo 144 000, sady “novidina avy teo amin’ny olombelona.” Natsangana ho zanak’Andriamanitra izy ireo, ary tsy olombelona nofo sy ra intsony, rehefa atsangana amin’ny maty.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara