FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • “Izy ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy raha ny marina. Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak’ondry na taiza na taiza nalehany. Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry,

  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Apokalypsy 14:4,

  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Tsy voatery hoe tsy manambady ireo 144 000, na dia lazaina hoe “virjiny” aza. Nanoratra ho an’ny Kristianina ho any an-danitra mantsy ny apostoly Paoly fa mety ho tsara kokoa indraindray ny manambady, na dia misy tombony aza ny tsy manambady. (1 Korintianina 7:1, 2, 36, 37) Virjiny ara-panahy kosa ireo 144 000. Tsy mijangajanga ara-panahy izy ireo, izany hoe tsy miditra amin’ny politika sy ny fivavahan-diso. (Jakoba 4:4; Apokalypsy 17:5) Ampakarin’i Kristy izy ireo, ka nitandro ny fahadiovany foana, sady “tsy misy tsiny eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.”—Filipianina 2:15.

  • Mihira Hiram-pandresena Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Nanasa ny olona tia fahamarinana hanara-dia azy i Jesosy teto an-tany. (Marka 8:34; 10:21; Jaona 1:43) Nanaraka ny fomba fiainany sy ny fampianarany ireo nanaiky izany. Raha mbola eto an-tany àry izy ireo, dia ‘manaraka foana ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany’, ka tarihiny hamakivaky ny tontolon’i Satana.

      14. a) Nahoana no lazaina hoe “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ireo 144 000? b) Nahoana no azo antsoina hoe voaloham-bokatra koa ny vahoaka be?

      14 “Novidina avy teto an-tany” ireo 144 000, sady “novidina avy teo amin’ny olombelona.” Natsangana ho zanak’Andriamanitra izy ireo, ary tsy olombelona nofo sy ra intsony, rehefa atsangana amin’ny maty. Voalazan’ny andininy faha-4 fa “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” izy ireo. Marina fa “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry” i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. (1 Korintianina 15:20, 23) Ireo 144 000 anefa no “anisan’ny voaloham-bokatra” amin’ny olona tsy lavorary novidina tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. (Jakoba 1:18) Tsy izy ireo ihany anefa no angonina. Efa noresahin’ny bokin’ny Apokalypsy ny fanangonana vahoaka be tsy tambo isaina, izay miantso mafy hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, ka manana adidy aminy isika.” Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo, ary ho lasa lavorary eto an-tany, rehefa misotro tsy tapaka amin’ny “loharanon’ny ranon’aina.” Ho foana ny fasana, aorian’ny fahoriana lehibe, ka olona an-tapitrisany no hatsangana sy hisotro amin’ilay rano. Mety àry ny hiantsoana ny vahoaka be hoe voaloham-bokatra amin’ny ondry hafa, satria izy ireo no voalohany ‘hanasa sy hamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’, mba hiaina mandrakizay eto an-tany.—Apokalypsy 7:9, 10, 14, 17; 20:12, 13.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara