-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Ary hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.
-
-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Nanidina “teny afovoan’ny lanitra” ilay anjely, izany hoe eny amin’izay anidinan’ny vorona. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:17.) Re eran-tany àry ny feony. Miely kokoa noho ny vaovao amin’ny tele ny fanambarana alefan’io anjely io eran-tany!
-
-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Izao no efa nolazain’i Jesosy momba ny androntsika: “Ary ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Manatanteraka io asa io ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (1 Korintianina 9:16; Efesianina 6:15) Resahin’ny Apokalypsy eto fa manao io asa fitoriana io koa ny anjely, na dia tsy hita maso aza. Hita matetika ny fitarihan’ny anjely ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho any amin’ny olona kivy, izay nitady fanampiana ara-panahy, na nivavaka mba hahazoana izany!
-