-
Vaovao tsara ho an’ny olona rehetraNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Aprily
-
-
“ARY hitako fa, indro nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara [vaovao tsara, MN ] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” (Apokalypsy 14:6). Tamin’ireo teny ireo no nilazalazan’ny apostoly Jaona be taona ny fahitany ara-paminaniana azo tamin’ny tsindrimandry, izay tanteraka amin’izao androntsika izao.
-
-
Vaovao tsara ho an’ny olona rehetraNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Aprily
-
-
Na dia nisy vaovao ratsy dia ratsy aza tamin’ny 1914, dia ny fipoahan’ny Ady Lehibe voalohany, ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny tsara indrindra amin’ny vaovao. Izany no nahatonga an’i Jesosy haminany ny amin’izao androntsika izao hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” — Matio 24:14, MN.
Tanteraka ve io faminanian’i Jesosy io? Izany dia izany tokoa. Tanteraka koa ny fahitana ara-paminanian’i Jaona. Marina fa tsy afaka hahita ilay anjely tsy hita maso hitan’i Jaona isika. Kanefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia hitan’ny maso tokoa noho izy ireo nanambara ampahibemaso ny vaovao tsaran’ilay anjely “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.”
-