-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Ary izy nanao tamin’ny feo mafy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.’ ” (Apokalypsy 14:6, 7)
-
-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
17 Ampirisihina hatahotra an’i Jehovah, fa tsy hatahotra an’ilay bibidia sy ny sariny, ny tsirairay. Mahery lavitra noho izay mety ho bibidia an’ohatra tarihin’i Satana mantsy i Jehovah. I Jehovah tokoa no namorona ny lanitra sy ny tany, ka fotoana hitsarany ny tany izao! (Ampitahao amin’ny Genesisy 1:1; Apokalypsy 11:18.)
-
-
Mihira Hiram-pandresena VaovaoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
18. Tonga ny ora anaovana inona, araka ny voalazan’ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra, ary iza koa no mbola hanao fanambarana?
18 Voalazan’ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra fa tonga ny ora fitsarana. Inona no ho didim-pitsaran’Andriamanitra? Hangorintsina ny sofina rehefa hanambara izany ny anjely faharoa sy fahatelo sy fahefatra ary fahadimy.—Jeremia 19:3.
-