FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Afobe
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Inona no hevitr’ilay hoe ‘fampijaliana mandrakizay’ hita ao amin’ny Apokalypsy?

      Apok. 14:9-11; 20:10, Prot.: “Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy; ary ny setroky ny fijaliany [grika: basanismo] dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.”

  • Afobe
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Inona ilay ‘fampijaliana’ resahin’ireo andininy ireo? Milaza ny Apokalypsy 11:10 (Prot.) fa nisy mpaminany “nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany.” Nahoana ireo mponina ireo no nijaly toy izany? Satria nanala sarona an’izay nataon’izy ireo ny hafatra notorin’ireo mpaminany. Resahin’ny Apokalypsy 14:9-11 (Prot.) fa “hampijalina amin’ny afo sy solifara” ny mpivavaka amin’ilay “bibi-dia sy ny sariny.” Tsy fampijalijaliana aorian’ny fahafatesana izany, satria ‘tsy mahalala na inona na inona’ ny maty. (Mpito. 9:5, Prot.) Inona àry no mampijaly an’ireo olona mbola velona ireo? Tsy inona izany fa ny hafatra torin’ny mpanompon’Andriamanitra hoe: Hiharan’ny fahafatesana faharoa izy ireo, izany hoe hatsipy any amin’ny “farihy afo sy solifara.” Hiakatra mandrakizay ny setroky ny fandringanana azy ireo amin’ny afo, satria ho mandrakizay ilay fandringanana sady hotsarovana foana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara