-
“Nianjera i Babylona Lehibe!”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Ary nisy anjely hafa fahatelo avy eo, niantsoantso mafy hoe: ‘Raha misy mivavaka amin’ny bibidia sy ny sariny ka mandray marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany, dia hisotro koa ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra izay araraka tsy mitampoka ao anatin’ny kaopin’ny fahatezerany izy.’ ” (Apokalypsy 14:9, 10a) Naharihary tao amin’ny Apokalypsy 13:16, 17 fa hijaly sy hovonoina ho faty mihitsy ireo tsy mivavaka amin’ny sarin’ilay bibidia, mandritra ny andron’ny Tompo. Hitantsika kosa izao fa hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ireo ‘manana ilay marika, dia ny anaran’ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany.’ Hoterena hisotro ny mangidy ao amin’ilay ‘kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah’ izy ireo. Hidika ho inona ho azy ireo izany? Noteren’i Jehovah hisotro tamin’ny ‘kapoaky ny fahatezerany’ ny firenen’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka niharan’ny “fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra” avy tamin’ny Babylonianina. (Isaia 51:17, 19) Hisotro ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah koa ny mpanindrahindra ireo hery ara-politika sy ny sarin’izy ireo, dia ny Firenena Mikambana. Hitondra loza ho azy ireo izany. (Jeremia 25:17, 32, 33) Horinganina tanteraka izy ireo.
14. Inona no hanjo an’ireo mpivavaka amin’ilay bibidia sy ny sariny, na dia alohan’ilay fandringanana aza, ary ahoana no anazavan’i Jaona izany?
14 Na dia alohan’ilay fandringanana aza anefa, dia hijaly noho ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ireo mandray ny marik’ilay bibidia. Hoy ilay anjely tamin’i Jaona, momba ny mpivavaka amin’ilay bibidia sy ny sariny: “Hampijalina amin’ny afo sy ny solifara eo imason’ny anjely masina sy eo imason’ny Zanak’ondry [izy].
-
-
“Nianjera i Babylona Lehibe!”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
15, 16. Inona no dikan’ny “afo” sy “solifara” ao amin’ny Apokalypsy 14:10?
15 Misy mihevitra fa porofon’ny fisian’ny afobe ny “afo” sy “solifara” voalaza eto. Hazava amintsika anefa ny tena dikan’ireo, raha manao topy maso faminaniana hafa mitovy amin’io isika. Nampitandrina i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia fa hosazina ny firenen’i Edoma, satria nankahala ny Israely. Hoy izy: “Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.”—Isaia 34:9, 10.
16 Natsipy tany amin’ny afobe ve i Edoma, mba hodorana mandrakizay? Mazava ho azy fa tsia. Nanjavona tanteraka kosa ilay firenena, ka toy ny hoe levon’ny afo sy solifara. Tsy fampijaliana mandrakizay no vokatr’ilay sazy, fa ‘fikorontanana sy fahafoanana ary fahafonganana.’ (Isaia 34:11, 12) Manondro izany tsara ilay setroka ‘misavoana mandrakizay.’ Mbola midona-tsetroka, ohatra, ny lavenona na dia efa maty aza ny afo, raha nisy trano may. Hitan’ny olona avy amin’izany fa nisy hain-trano teo. Mbola tsaroan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’izao ny lesona avy amin’ny fandravana an’i Edoma. Toy ny hoe mbola miakatra foana àry ny “setrony.”
17, 18. a) Inona no hiafaran’ireo mandray ny marik’ilay bibidia? b) Inona no dikan’ny hoe hampijalina ireo mivavaka amin’ilay bibidia? d) Inona no dikan’ny hoe hiakatra “mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo”?
17 Horinganina tanteraka, toy ny amin’ny afo, koa ireo manana ny marik’ilay bibidia. Hasehon’ilay faminaniana any aoriana fa tsy halevina ireo faty, mba hohanin’ny biby sy ny vorona. (Apokalypsy 19:17, 18) Mazava àry fa tsy hampijalina mandrakizay izy ireo! Koa inona no dikan’ny hoe “hampijalina amin’ny afo sy ny solifara” izy ireo? Ny fanambarana ny fahamarinana dia hampiseho ny maha izy azy ireo sy hampitandrina azy momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy. Manaratsy ny vahoakan’Andriamanitra àry izy ireo, ary mandresy lahatra an’ilay bibidia mba hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah sy hamono azy ireo.
-
-
“Nianjera i Babylona Lehibe!”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
18 Iza no manambara ilay hafatra mampijaly ankehitriny? Tsarovy fa nomena fahefana ireo valala an’ohatra mba hampijaly an’izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny. (Apokalypsy 9:5) Izy ireo àry no mpampijaly, eo ambany fitarihan’ny anjely.
-