-
Lehibe sy Mahagaga ny Asan’i JehovahApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Ary nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito nanana ny loza fito. Ny akanjony dia lamba rongonimbazaha madio sy mamirapiratra, ary nanao fehikibo volamena teo amin’ny tratrany izy ireo.
-
-
Lehibe sy Mahagaga ny Asan’i JehovahApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
15. Nahoana no tsy mahagaga raha nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito?
15 Tao amin’ny tempoly fahiny tany Israely, dia ny mpisoronabe ihany no afaka nankao amin’ny Masina Indrindra, izany hoe ny “toerana masina.” Nisy ny endriky ny zavatra any an-danitra tao amin’io tempoly io. (Hebreo 9:3, 7) Manondro ny toerana misy an’i Jehovah any an-danitra ilay toerana masina. Tsy i Jesosy Kristy Mpisoronabe irery anefa any an-danitra no afaka miditra eo anatrehan’i Jehovah, fa ny anjely koa. (Matio 18:10; Hebreo 9:24-26) Tsy mahagaga àry raha hita nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina any an-danitra ireo anjely fito. Nirahin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo handraraka ny ao anatin’ireo vilia feno ny fahatezerany.—Apokalypsy 16:1.
16. a) Inona no mampiseho fa mahafeno fepetra hanao ny asany ireo anjely fito? b) Inona no manaporofo fa tsy ireo anjely fito ihany no tafiditra amin’ilay asa?
16 Mahafeno fepetra hanao io asa io ireo anjely. Manao akanjo rongonimbazaha madio sy mamirapiratra izy ireo. Midika izany fa madio sy masina ary marina eo imason’i Jehovah izy ireo. Misy fehikibo volamena koa eo amin’ny tratrany. Matetika no misikina na manao fehikibo ny olona miomana hiasa. (Levitikosy 8:7, 13; Lioka 12:37; Jaona 13:4, 5) Miomana hiasa àry ireo anjely. Volamena anefa ny fehikibony. Nampiasaina tao amin’ny tranolay fahiny ny volamena mba hanondroana zavatra an’Andriamanitra any an-danitra. (Hebreo 9:4, 11, 12) Asa anirahan’Andriamanitra àry no ataon’ireo anjely fito.
-