-
Tsaraina Ilay Mpivaro-tena MaharikorikoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Ary nitafy lamba volomparasy sy mena midorehitra ravehivavy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla, ary teny an-tanany dia nisy kaopy volamena feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany.
-
-
Tsaraina Ilay Mpivaro-tena MaharikorikoApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
24. Nahoana no mifanentana tsara amin’i Babylona Lehibe ny “lamba volomparasy sy mena midorehitra” tafiny sy ny “volamena sy vatosoa ary perla” iravahany?
24 Mitafy “lamba volomparasy sy mena midorehitra”, izay lokon’ny fitafian’ny mpanjaka, i Babylona Lehibe. ‘Miravaka volamena sy vatosoa ary perla’ koa izy. Mifanentana aminy tokoa izany! Eritrereto ny harena nangonin’ny fivavahan’ity tontolo ity: Trano mijoalajoala, sarivongana sy sary hoso-doko tsy fahita firy, sary masina lafo be, ary zavatra hafa maro be misy ifandraisana amin’ny fivavahana. Eo koa ny fananany sy ny volany tsy toko tsy forohana. Nangorona harem-be i Babylona Lehibe, ary indraindray koa namoy izany. Hita izany na any Vatikana, na eo amin’ireo fikambanana goavam-be mpitory teny amin’ny televiziona any Etazonia, na any amin’ireo tempoly any Azia.
25. a) Inona no ao anatin’ilay “kaopy volamena feno zava-maharikoriko”? b) Nahoana no lazaina fa mamo ilay mpivaro-tena an’ohatra?
25 Jereo indray ny eny an-tanan’ilay mpivaro-tena. Azo antoka fa ankona i Jaona nahita ilay kaopy volamena “feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany”! Ao anatin’izy io “ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany”, izay nampisotroiny an’ireo firenena. (Apokalypsy 14:8; 17:4) Toa lafo vidy erỳ ilay kaopy, nefa maharikoriko sy maloto ny ao anatiny. (Ampitahao amin’ny Matio 23:25, 26.) Hita ao ny fanao maloto sy ny lainga rehetra nampiasain’ilay mpivaro-tena lehibe, mba hanangolena an’ireo firenena sy hitaomana azy hanao izay tiany.
-