-
Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
-
-
Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe “mivoaha ao aminy, ry oloko.” Amin’iza? Amin’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” (Apok. 17:5; 18:4)
-
-
Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
-
-
Takatr’i C. Russell sy ny namany koa fa tsy ny Eglizy Katolika ihany io vehivavy mpivaro-tena io. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Novambra 1879 fa “ny RAFITRA momba ny papa” io Babylona Lehibe io, nefa hoy koa ilay lahatsoratra: “Tsy maintsy lasa lavitra kokoa isika, ka hampidirintsika ho namany koa (tsy ny mpiangona tsirairay) ny fiangonana hafa miaraka amin’ireo Fanjakana eto an-tany. Milaza ho virjiny madio vadin’i Kristy ny fiangonana rehetra, nefa miaraka amin’izao tontolo izao (bibidia) sady tohanany, ka tsy maintsy helohintsika, satria fiangonana mpivaro-tena, araka ny ilazan’ny Soratra Masina azy.”
-