FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tsaraina Ilay Mpivaro-tena Maharikoriko
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Ary teo amin’ny handriny nisy anarana voasoratra, dia zava-miafina hoe: ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.’

  • Tsaraina Ilay Mpivaro-tena Maharikoriko
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Apokalypsy 17:4-

  • Tsaraina Ilay Mpivaro-tena Maharikoriko
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 23. Iza no anarana fenon’i Babylona Lehibe, ary inona no dikany?

      23 Nisoratra teo amin’ny handrin’ilay mpivaro-tena ny anarany, araka ny fanao tany Roma fahiny.d Lava ilay anarana: “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” “Zava-miafina” io anarana io, izany hoe tsy miharihary ny heviny. Hohazavaina anefa izany amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Ampy tsara tokoa ny fanazavana nomen’ilay anjely an’i Jaona, ka fantatry ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny ny dikan’io anarana io. Fantatsika fa ny fivavahan-diso rehetra no antsoina hoe Babylona Lehibe. “Renin’ny mpivaro-tena” izy, satria mivaro-tena eo amin’ny lafiny ara-pivavahana toa azy ny zanany vavy, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, anisan’izany ireo sektan’ny Kristianisma Anarana. Renin’ny “zava-maharikoriko” koa izy, satria nampisy na niteraka an’ireto fanao mahatsiravina ireto: Fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fanandroana, astrolojia, fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana, sorona olombelona, fivarotan-tena ao amin’ny tempoly, fimamoana ho fanomezam-boninahitra andriamani-diso ary fanao mamoafady hafa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara