FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fandringanana An’i Babylona Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • “Eto no ilana fahiratan-tsaina ombam-pahendrena: Tsy inona ny loha fito fa tendrombohitra fito, ka eo an-tampony no ipetrahan-dravehivavy. Ary misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo, fa ny iray kosa mbola tsy tonga, nefa rehefa tonga izy, dia tsy maintsy hitoetra kelikely.” (Apokalypsy 17:9, 10)

  • Fandringanana An’i Babylona Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 2. Manondro inona ny loha fiton’ilay bibidia mena midorehitra, ary inona no dikan’ilay hoe “efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo”?

      2 Tsy inona ny loha fiton’io bibidia masiaka io fa “tendrombohitra” fito, na “mpanjaka” fito. Samy manondro fanjakana ireo teny ireo ao amin’ny Soratra Masina. (Jeremia 51:24, 25; Daniela 2:34, 35, 44, 45) Firenena matanjaka enina no resahin’ny Baiboly fa tafiditra tamin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra: Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma. Efa tsy teo intsony ny dimy, rehefa nahazo fahitana momba ny Apokalypsy i Jaona. I Roma kosa no firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Izay no dikan’ilay hoe “efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo.” Ahoana kosa ny amin’ilay “iray” mbola ho avy?

  • Fandringanana An’i Babylona Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 6. Iza avy ireo fanjakana vaovao niforona, ary iza no nahomby indrindra?

      6 Nisy fanjakana vaovao nanitatra ny faritany nofeheziny anefa tamin’ny taonjato faha-15. Tsy nisy nifandraisany tamin’ny Fanjakana Romanina ireny fanjakana vaovao ireny, na dia tany amin’ny faritany nofehezin’i Roma fahiny aza no nisy azy. Samy nanjanaka firenena maro i Portogaly sy Espaina sy Frantsa ary Holandy, fa i Grande-Bretagne no nahomby indrindra. Nidadasika be mantsy ny faritany azony, ka nisy faritra azon’ny tara-masoandro foana tao amin’ilay fanjakana. Izany no nahatonga an’ilay fitenenana hoe ‘tsy nilentika mihitsy ny masoandro’ tao amin’ny fanjakana britanika. Nitatra hatrany Amerika Avaratra, Afrika, Inde, Azia Atsimoatsinanana, ary Pasifika Atsimo izany.

      7. Ahoana no nampisy an’ilay fanjakana mitambatra izay lasa firenena matanjaka indrindra, ary hanjaka hafiriana ilay “loha” fahafito, na firenena matanjaka fahafito?

      7 Nisaraka tamin’i Grande-Bretagne ny zanataniny sasany tany Amerika Avaratra tamin’ny taonjato faha-19, ka nanangana an’i Etazonian’i Amerika. Nisy tsy fifanarahana foana teo amin’io firenena vaovao io sy i Grande-Bretagne tamin’izany. Nanjary nifandray tsara anefa izy ireo tamin’ny Ady Lehibe I, satria hitany fa nitovy ny tanjony. Nanomboka teo àry dia ny fanjakana mitambatra anglisy-amerikanina no natanjaka indrindra, izany hoe i Etazonian’i Amerika, ilay firenena manankarena indrindra eran-tany, sy Grande-Bretagne, ilay fanjakana midadasika indrindra eran-tany. Io fanjakana mitambatra io ilay “loha” fahafito, na firenena matanjaka fahafito, izay mbola hisy hatramin’ny fotoan’ny farany. Tao amin’ny faritra nofeheziny no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany amin’ny andro ankehitriny. Nanjaka ela be ilay loha fahenina, fa ny fahafito kosa “hitoetra kelikely” fotsiny, mandra-pandravan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny firenena rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara