FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fandringanana An’i Babylona Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Ary ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.’ ”—Apokalypsy 17:15, 16.

      16. Nahoana no tsy ho afaka hanampy an’i Babylona Lehibe ireo reniranony, rehefa hamely azy ny fitondrana ara-politika?

      16 Natoky ny fisian’ireo renirano niaro azy i Babylona fahiny. Matoky ny fisian’ireo “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” manohana azy koa i Babylona Lehibe ankehitriny. Niresaka momba izany ilay anjely, ary avy eo dia nilaza fa hisy zavatra tsy hampoizina: Hamely tampoka an’i Babylona Lehibe ireo fitondrana ara-politika eto an-tany.

  • Fandringanana An’i Babylona Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 17. a) Nahoana no tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe ny harenany? b) Hanao ahoana ny ho fiafaran’i Babylona Lehibe? d) Iza koa no handringana an’i Babylona Lehibe, ankoatra an’ireo tandroka folo, na ny fitondram-panjakana?

      17 Azo antoka fa tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe koa ny harem-beny. Mety hanafaingana ny fandringanana azy mihitsy aza izany. Voalazan’ilay fahitana mantsy fa hanaisotra ny akanjo marevaka sy ny firavaka rehetra anaovany ilay bibidia sy ny tandroka folo, rehefa hamely azy. Horobain’izy ireo ny fananany. “Hampitanjaka” azy koa izy ireo, izany hoe hampiharihary ny toetra ratsiny. Hidiran-doza tokoa izy sady ho afa-baraka tanteraka! Handringana azy sy “hanapitra ny nofony” ilay bibidia sy ny tandroka folo, ka ho taolana sisa no hiafarany. ‘Hodorana tanteraka amin’ny afo izy’ amin’ny farany. Hodorana toy ny fatin’olona misy areti-mifindra izy, ka tsy halevina akory! Tsy ny fitondram-panjakana, na ny tandroka folo, ihany no handringana an’ilay mpivaro-tena lehibe, fa “ilay bibidia” koa, na ny ONU, izay hankasitraka ny fandravana ny fivavahan-diso. Maro amin’ireo firenena maherin’ny 190 ao amin’ny Firenena Mikambana no efa nilaza ny fankahalany ny fivavahana, indrindra fa ny Kristianisma Anarana.

      18. a) Inona no zava-nitranga ahitana taratra fa mety hivadika amin’i Babylona Lehibe ireo firenena? b) Avy amin’iza ny fandringanana an’ilay mpivaro-tena lehibe raha ny tena marina?

      18 Nahoana ireo firenena no hampidi-doza an’ilay sakaiza ratsiny taloha? Efa hita taratra fa mety hivadika amin’i Babylona Lehibe izy ireo, raha ny zava-nitranga vao haingana no jerena. Notoherin’ny fanjakana ny fivavahana, tany Chine sy tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, ka nihena be ny fahefany. Toy ny maty mihitsy ny fivavahana any amin’ny faritra protestanta any Eoropa, satria mihabetsaka ny tsy miraika sy misalasala, ka tsy mandeha miangona intsony. Tsy mitovy hevitra koa ny samy Katolika, ary mikomy ny mpiangona, nefa tsy mahavaha izany olana izany ny mpitondra fivavahana. Tsy tokony hohadinointsika anefa fa fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Babylona lehibe, na ilay mpivaro-tena lehibe, ilay fandringanana azy.

      Hevitr’Andriamanitra no tanterahin’izy ireo

      19. a) Hazavao fa toy ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema nivadi-pinoana tamin’ny 607 T.K. no hataony amin’ilay mpivaro-tena lehibe. b) Rava sy tsy nisy mponina i Jerosalema, taorian’ny 607 T.K. Iza no hitovy amin’izany amin’ny androntsika?

      19 Ahoana no hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany? Toy ny fomba nanasaziany ny vahoakany nivadi-pinoana fahiny ihany. Hoy mantsy izy: “Tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tànan’ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany; eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.” (Jeremia 23:14) Nampiasa an’i Nebokadnezara i Jehovah tamin’ny 607 T.K., mba ‘hanendaka ny lamba sy hanaisotra ny firavaka soa’ ka ‘hilaozana mitanjaka sy mihanjahanja’ ilay tanàna nivadi-pinoana. (Ezekiela 23:4, 26, 29) Mitovy amin’i Jerosalema tamin’izany fotoana izany ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Hosazin’i Jehovah toa an’i Jerosalema koa àry izy io sy ny sisa amin’ny fivavahan-diso, araka ny hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana teo aloha. Rava sy tsy nisy mponina i Jerosalema, taorian’ny 607 T.K. Ho toy izany no hanjo ny Kristianisma Anarana, rehefa horobaina ny harenany ka hampitanjahina izy. Izany koa no hihatra amin’ny sisa amin’i Babylona Lehibe.

      20. a) Ahoana no nilazan’i Jaona fa hampiasa mpitondra olombelona indray i Jehovah rehefa hampihatra ny didim-pitsarany? b) Inona ilay hoe ‘hevitr’Andriamanitra’? d) Ahoana no hanatanterahan’ireo firenena ny ‘hevitra tokana iombonany’, nefa ny hevitr’iza no hotanterahiny raha ny marina?

      20 Hampiasa mpitondra olombelona indray i Jehovah rehefa hampihatra ny didim-pitsarany. “Fa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny, dia ny hanatanterahan’izy ireo ilay hevitra tokana iombonan’ireo, izay tsy inona fa ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” (Apokalypsy 17:17) Inona izany ‘hevitr’Andriamanitra’ izany? Ataony miray hina ireo firenena mba handringana tanteraka an’i Babylona Lehibe. Marina aloha fa manana ‘hevitra tokana iombonany’ ireo mpitondra, ka ho fanatanterahana izany no mahatonga azy hamely an’i Babylona Lehibe. Hihevitra izy ireo fa hahasoa ny fireneny ny hamelezana an’ilay mpivaro-tena lehibe, satria toa manohintohina ny fitondrany ireo fivavahana ao amin’ny taniny. Ny hevitr’i Jehovah anefa raha ny marina no hotanterahin’ireo firenena. Izy no hitarika azy ireo handringana tanteraka an’ilay fahavalo mpivadi-pinoana!—Ampitahao amin’ny Jeremia 7:8-11, 34.

      21. Koa satria hampiasaina handringanana an’i Babylona Lehibe ilay bibidia mena midorehitra, inona no hataon’ireo firenena amin’ny Firenena Mikambana?

      21 Hampiasa an’ilay bibidia mena midorehitra, na ny Firenena Mikambana, ireo firenena rehefa handringana an’i Babylona Lehibe. Tsy hevitr’izy ireo manokana anefa izany, fa i Jehovah no hanao izany ao am-pony “mba hanatanterahan’izy ireo ilay hevitra tokana iombonan’izy ireo, izay tsy inona fa ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia.” Ho tsapan’ireo firenena fa tokony hohatanjahina ny Firenena Mikambana. Homeny fahefana sy hery àry izy io, mba hamelezana ny fivavahan-diso sy handresena azy, “mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” Ho vita hatreo ny amin’ilay mpivaro-tena, ary tsara ho azy koa izay!

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara