-
Mandresy Amin’ny Hara-magedona Ilay Mpanjaka MpiadyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Lelafo ny masony, ary nisy diadema maro teo amin’ny lohany.”—Apokalypsy 19:11, 12a.
-
-
Mandresy Amin’ny Hara-magedona Ilay Mpanjaka MpiadyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Mampahatahotra ny masony toy ny “lelafo”, ka midika izany fa mitazana ny handringanan’ny afo ny fahavalony izy.
6 Misy diadema maro eo amin’ny lohan’ilay Mpanjaka Mpiady. Nisy diadema folo teo amin’ny lohan’ilay bibidia hitan’i Jaona nivoaka avy tao amin’ny ranomasina, ka midika izany fa nanana fahefana vetivety teto an-tany ilay bibidia. (Apokalypsy 13:1) “Diadema maro” kosa no teo amin’ny lohan’i Jesosy, izany hoe izy no mpanjaka be voninahitra indrindra, satria “Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo.”—1 Timoty 6:15.
7. Inona ilay anaran’i Jesosy voasoratra?
7 Hoy koa i Jaona: “Izy dia nanana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany ihany.” (Apokalypsy 19:12b) Anarana iantsoana an’ilay Zanak’Andriamanitra ny hoe Jesosy, Imanoela, ary Mikaela. Ilay “anarana” eto anefa, dia toa manondro ny toerana sy andraikitra tanan’i Jesosy mandritra ny andron’ny Tompo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 2:17.) Hoy i Isaia rehefa nilaza ny mombamomba an’i Jesosy aorian’ny 1914: “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5) Nampifandray ny anaran’i Jesosy sy ny andraikitra lehibe tanany koa ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Nanandratra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa Andriamanitra ary nanome azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra.’—Filipianina 2:9, 10.
8. I Jesosy irery no mahalala ilay anarana voasoratra. Nahoana? Ary iza no nizarany io andraikiny lehibe io?
8 Tsy manan-tsahala ny andraikitra tanan’i Jesosy. Izy ihany, ankoatra an’i Jehovah, no mahafantatra hoe midika ho inona ny fananana toerana ambony be toy izany. (Ampitahao amin’ny Matio 11:27.) Izy irery àry no zavaboarin’Andriamanitra mahalala tsara ny dikan’io anarana io. Nozarain’i Jesosy tamin’ny vadiny anefa ny andraikiny. Nampanantena izy hoe: “Izay mandresy, dia ... hosoratako eo aminy ... ilay anarako vaovao.”—Apokalypsy 3:12.
-