-
Mandresy Amin’ny Hara-magedona Ilay Mpanjaka MpiadyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Fa ny sisa kosa novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly. Ary voky ny nofon’izy ireny ny vorona rehetra.”—Apokalypsy 19:19-21.
-
-
Mandresy Amin’ny Hara-magedona Ilay Mpanjaka MpiadyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
25. a) Iza ireo “novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly”? b) Mbola hantenaina hitsangana ve izy ireo?
25 “Novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly” koa, izay rehetra tsy laitra anarina eto amin’ity tontolo ratsy ity, na dia tsy mitana toerana ao amin’ny fitondram-panjakana aza. Homelohin’i Jesosy ho faty izy ireo. Mbola hantenaina hitsangana ve anefa izy ireo satria tsy voalaza hoe ho any amin’ny farihy afo? Tsy misy filazana mihitsy hoe mbola hatsangana ireo hovonoin’ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah amin’izay fotoana izay. I Jesosy mihitsy no nilaza fa izay tsy “ondry” dia halefa “any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny”, izany hoe “any amin’ny fandringanana mandrakizay.” (Matio 25:33, 41, 46) Izany no hamarana ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:7; Nahoma 1:2, 7-9; Malakia 3:19.
-