FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lainga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Misy olona minia mandainga mba hahavoa ny hafa. Voarara mazava ao amin’ny Baiboly izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy milaza ny marina amin’izay olona tsy tokony hahalala izany isika. Hoy i Jesosy Kristy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny, dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Mt 7:6) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hilaza ny zava-drehetra na tsy hamaly mivantana fanontaniana sasany indraindray, raha nety ho nisy voka-dratsiny izany. (Mt 15:1-6; 21:23-27; Jn 7:3-10) Nanao toy izany tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah koa i Abrahama, Isaka, Rahaba, ary Elisa. Nataon’izy ireo mantsy izay hahadiso hevitra an’ireny olona ireny, na tsy nolazainy tamin’izy ireny ny marina rehetra.​—Ge 12:10-19; toko 20; 26:1-10; Js 2:1-6; Jk 2:25; 2Mp 6:11-23.

  • Satana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nitady fomba hamonoana an’ilay ‘taranaka.’ Hipoitra avy amin’i Abrahama ilay ‘taranaka’ nampanantenaina. (Ge 12:7) Nanao izay ho afany anefa i Satana mba tsy ho tanteraka izany. Nanao tetika izy, ohatra, mba ho voaloto i Saraha ka tsy ho mendrika hipoiran’ilay taranaka. Narovan’Andriamanitra anefa i Saraha. (Ge 20:1-18) Nataony koa izay haharipaka ny firenen’Israely, ilay firenena nofidin’Andriamanitra ho taranak’i Abrahama. Notaominy hanota mantsy ilay firenena ary nampirisihiny hanafika azy io ny firenen-kafa. Toa nahomby tamin’ilay adiny tamin’Andriamanitra i Satana rehefa resin’i Babylona (Firenena Natanjaka Indrindra Fahatelo Eran-tany araka ny tantara ao amin’ny Baiboly) i Jerosalema. Naongan’ny Babylonianina tsy ho mpanjaka i Zedekia taranak’i Davida, ary noravany ny tempolin’i Jehovah. Lasa aolo i Jerosalema sy Joda.​—Ezk 21:25-27.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara