-
Fanisan-taonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hoy i Jehovah tamin’i Abrama (Abrahama): “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.” (Ge 15:13; jereo koa As 7:6, 7) Mbola tsy teraka tamin’izay i Isaka, ilay mpandova na “taranaka” nampanantenaina. Teraka tamin’ny 1932 T.K. i Ismaela, zanak’i Abrama tamin’i Hagara, mpanompovavy ejipsianina. Tamin’ny 1918 T.K. kosa i Isaka no teraka. (Ge 16:16; 21:5) Nifarana ilay ‘fampahoriana’ (Ge 15:14) rehefa nafahana tany Ejipta ny Israelita (1513 T.K.). Raha avy eo no manisa 400 taona mihemotra, dia tonga any amin’ny 1913 T.K. Dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izay, ary nosarahi-nono. Efa “vahiny” nonina tany an-tanin’olona sahady izy, ary nanomboka koa ilay fampahoriana nambara mialoha, satria “nihomehy naneso” azy i Ismaela, izay 19 taona teo ho eo tamin’izay. (Ge 21:8, 9) Tsy azo hamaivanina mihitsy io fanesoan’i Ismaela an’ilay mpandova an’i Abrahama io, fa tena zava-dehibe tamin’izany andro izany, matoa tezitra be i Saraha ka nanizingizina ny handroahana an’i Hagara sy Ismaela, ary nankasitraka izany Andriamanitra. (Ge 21:10-13) Matoa izany nosoratana tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Baiboly, dia nanomboka teo ilay fampahoriana 400 taona nambara mialoha, izay nifarana rehefa niala tany Ejipta ny Israelita.—Ga 4:29.
-
-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fotoana nisehoan’ilay fanafahana. Oviana no nanomboka ilay fampahoriana haharitra 400 taona, ary oviana no nifarana? Voalazan’ny lovantsofina jiosy fa nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Isaka izy io. Ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka anefa vao tena nanomboka ilay fampahoriana. Taona 1913 T.K. tamin’izay, fony 5 taona teo ho eo i Isaka fa i Ismaela kosa 19 taona teo ho eo. “Nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy ilay nateraka araka ny nofo”, izany hoe Ismaela. (Ga 4:29) Nialona sy nankahala an’i Isaka i Ismaela, metisy ejipsianina, ka “nihomehy naneso” an’ilay zazalahikely. Tsy adiadin’ankizy fotsiny àry ilay izy! (Ge 21:9) Ny Baiboly hafa manao hoe “nihomehy” (Prot.; Kat.) na “naneso” (JM). Nitohy nandritra ny androm-piainan’i Isaka ny fampahoriana ny taranak’i Abrahama. Marina fa notahin’i Jehovah i Isaka rehefa lehibe. Nila sotasota taminy anefa ny mponin’i Kanana, ka voatery nifindrafindra monina izy. (Ge 26:19-24, 27) Nandeha nipetraka tany Ejipta ilay ‘taranaka’, rehefa antitra i Jakoba zanak’i Isaka. Lasa andevo izy ireo tatỳ aoriana.
-
-
HagaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
“Nanomana fanasambe i Abrahama”, taona maro tatỳ aoriana, “tamin’ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka”, izay efa 5 taona teo ho eo. Tsikaritr’i Saraha tamin’io fotoana io fa “nihomehy naneso” an’i Isaka i Ismaela, zanak’i Hagara. Efa 19 taona teo ho eo i Ismaela tamin’izay. Tsy sangisangin’ankizy tsotra fotsiny akory no nataon’i Ismaela. Hita avy amin’ny andininy manaraka fa nety ho resaka fandovana no nanesoan’i Ismaela an’i Isaka. Nasehon’i Ismaela sahady teo ilay toetrany mankahala olona, araka ny efa nolazain’ilay anjelin’i Jehovah mialoha. (Ge 16:12) Nanahy momba ny hoavin-janany angamba i Saraha, ka nasainy noroahin’i Abrahama i Hagara sy ny zanany. Nahasosotra an’i Abrahama izany nefa nekeny ihany satria nasain’i Jehovah nanaiky izy. Nalefany nandeha i Hagara sy ny zanany ny ampitso vao maraina, ary nomeny mofo sy siny hoditra feno rano.—Ge 21:8-14.
-
-
IsakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanomana fanasambe i Abrahama tamin’ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka. Toa tamin’io fotoana io i Saraha no nahatsikaritra an’i Ismaela “nihomehy naneso” an’i Isaka, rahalahiny hafa reny. (Ge 21:8, 9) Milaza ny Baiboly sasany (DIEM, BFC, JB) fa “nilalao” niaraka tamin’i Isaka fotsiny i Ismaela teo, izany hoe sangisangin’ankizy no nataony. Misy heviny manafintohina koa anefa ilay teny hebreo hoe tsahak. Any amin’ny andininy hafa, ohatra, (Ge 19:14; 39:14, 17) dia adika hoe ‘manadala’ (DIEM) na “manamavo” (Da) na “manevateva” (JB) io teny io.
“Manaraby” no andikan’ny Targoma sasany sy ny Peshitta syriàka an’ilay tenin’i Ismaela ao amin’ny Genesisy 21:9. Hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook, momba ilay teny hebreo hoe tsahak: “Angamba midika hoe ‘mihomehy maneso’ izy io ao amin’io andininy io. Izany rahateo matetika no ahazoana ny heviny. Nihomehy i Ismaela satria naneso, ary angamba nanao izany noho ny fanenjehany an’i Isaka sy noho izy te hanjakazaka taminy. I Abrahama kosa nihomehy satria faly noho ny amin’i Isaka, ary i Saraha koa nihomehy satria tsy nampino azy ny zavatra nambara taminy. Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly ka nilaza mazava hoe fampahoriana sy fanenjehana no nataon’i Ismaela tamin’i Isaka, fa tsy sangisangin’ankizy. (Ga 4:29) Misy mpivaofy teny mihevitra fa nifamaly tamin’i Isaka angamba i Ismaela (izay zokin’i Isaka 14 taona) ka naneso azy, ary resaka fandovana no nanesoany azy. Ilay tenin’i Saraha eo amin’ny andininy manaraka (Ge 21:10) no nahatonga azy ireo hilaza izany. Nanizingizina mantsy i Saraha hoe: “Tsy hiray lova amin’i Isaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io!”
-
-
IsmaelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Teraka i Isaka herintaona taorian’izay, ary 14 taona i Ismaela tamin’izay. (Ge 16:16; 21:5) Nosarahi-nono i Isaka rehefa afaka dimy taona (tamin’ny 1913 T.K.), ary tamin’izay andro izay i Ismaela no tratra “nihomehy naneso” an’i Isaka zandriny hafa reny. (Ge 21:8, 9) Tsy sangisangin’ankizy tsotra fotsiny no nataon’i Ismaela. Hita amin’ny andininy manaraka fa mety ho resaka fandovana no nanesoan’i Ismaela an’i Isaka. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa “sary an’ohatra” izany, ary nantsoiny hoe fanenjehana ilay fampijalian’i Ismaela, metisy ejipsianina, an’i Isaka. Nanomboka tamin’izay àry ilay 400 taona voalaza fa hampahoriana ny Israely. Nifarana izany rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israely, tamin’ny 1513 T.K.—Ga 4:22-31; Ge 15:13; As 7:6; jereo ISAKA.
-
-
IsmaelitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy i Ismaela ihany no nankahala an’i Isaka fa ny taranany koa. Lasa halan’izy ireo mihitsy aza ilay Andriamanitr’i Isaka. Nilaza mantsy ny mpanao salamo fa anisan’ireo ‘nankahala mafy’ an’i Jehovah ny Ismaelita. (Sl 83:1, 2, 5, 6) Nisy naningana anefa. Ismaelita, ohatra, i Obila izay voatendry hiandraikitra ny ramevan’i Davida Mpanjaka.—1Ta 27:30, 31.
-