-
VavahadyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Zava-nitranga teny am-bavahady. Mety ho ilay tanàna ihany no tiana holazaina amin’ny hoe “vavahadin’ny” tanàna, satria teo no natao ny ankamaroan’ny raharaham-panjakana ary teo no noraketina ny varotra. (De 16:11, 14; Rt 4:10; Sl 87:2; 122:2) Matetika no teo amin’ny vavahadin’ny lapan’ny mpanjaka no natao ny fifampiraharahana tany an-drenivohitra. (Es 3:2, 3; 5:9, 13; 6:10, 12) Raha lasa tsy nisy olona intsony teo amin’ny fidirana na ny vavahadin’ny tanàna, dia afa-boninahitra izy io. (Is 3:26; 14:31; Je 14:2; Ft 1:4) Ny vavahadin’ny tanàna no tena nokendren’ny mpanao fahirano. Afaka niditra tao an-tanàna mora foana mantsy izy ireo rehefa azony izany. Midika hoe mahazo an’ilay tanàna àry ny hoe ‘mahazo ny vavahadin’ny’ tanàna. (Ge 22:17; 24:60) Nipetraka teo amin’iray tamin’ireo vavahadin’i Jerosalema, ohatra, ny andrianan’ny mpanjakan’i Babylona rehefa voagorobaka ny mandan’ilay tanàna. Midika izany fa azon’ny Babylonianina i Jerosalema.—Je 39:2, 3.
-
-
Hebreo, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Misy teny an’ohatra be dia be ny teny hebreo. Midika ara-bakiteny hoe “molotry ny ranomasina”, ohatra, ny teny hebreo hoe “amoron-dranomasina” ao amin’ny Genesisy 22:17. Fahita koa ny hoe “tarehin’ny tany”, “lohan’ny” tendrombohitra, “vavan’ny lava-bato”, sy ny toy izany. Hita eo fa toy ny hoe olona no ilazan’ny teny hebreo ny zavatra sasany. Tsy midika anefa izany hoe nivavaka tamin’ny natiora ny Hebreo. Lazain’ny Soratra Masina ho tena maharikoriko mantsy ny olona mivavaka amin’ny hazo sy zavatra hafa.—Ampit. Is 44:14-17; Je 10:3-8; Ha 2:19.
-