-
Heloka sy SazyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Natao araka ny endrik’ilay Andriamanitra tia rariny ny olona (Ge 1:26; Sl 37:28; Ml 2:17), ka efa hatramin’ny voalohany no tia rariny. (Is 58:2; Ro 2:13-15) Rehefa nanonona ny didim-pitsarany voalohany i Jehovah, dia ilay mpivady voalohany sy ny menarana (ny Devoly) no nampiharany izany, ho fanajana ny rariny. Fahafatesana no sazin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra, satria nitovy ihany ny tsy nankatò sy ny nikomy tamin’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao. (Ge 2:17; jereo OTA.) Tatỳ aoriana, dia namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, ka nanahy sao hisy hamaly faty azy. Fantany mantsy fa tia rariny ny olona. Tsy nanendry na nanome alalana an’iza na iza hamono an’i Kaina anefa i Jehovah, satria Izy ihany no mpamaly ny ratsy natao. Izany no nahatonga azy hamongotra ny taranak’i Kaina tamin’ny Safodrano. (Ge 4:14, 15) Nilaza i Enoka, 700 taona teo ho eo talohan’ny Safodrano, fa ho avy hampihatra didim-pitsarana amin’izay nanao asa ratsy Andriamanitra.—Ge 5:21-24; Jd 14, 15.
-
-
FahafatesanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nahatonga ny olona ho faty. Ny Genesisy 2:16, 17 no miresaka voalohany momba ny fahafatesana. Nilaza tamin’ny lehilahy voalohany Andriamanitra mba tsy hihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, sao ho faty. Efa voajanahary kosa ny fahafatesan’ny biby, satria tsy noresahina mihitsy tao amin’ilay fitantarana momba ny nahatonga ny fahafatesan’ny olombelona. (Ampit. 2Pe 2:12.) Fantatr’i Adama zanak’Andriamanitra àry hoe manao ahoana ny hoe maty, ary takany fa tsy nivazivazy Andriamanitra raha nampitandrina hoe ho faty izy raha tsy mankatò. Maty tokoa izy rehefa tsy nankatò. (Ge 3:19; Jk 1:14, 15) Niely tamin’ny olona rehetra avy eo ny fahotan’i Adama sy ny fahafatesana.—Ro 5:12; 6:23.
-
-
EdenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Inona ilay voankazo voarara tao Edena?
Afaka nihinana ‘izay laniny’ tamin’ny voankazo tao Edena ralehilahy. (Ge 2:16) Ny hazo “fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ihany no tsy navela nihinanan’ny mpivady voalohany. Nilaza i Eva fa niteny tamin’i Adama i Jehovah hoe tsy azo atao na dia ny ‘mikasika’ an’ilay hazo aza, ary ho faty izy ireo raha mandika sy tsy manaja ny lalàn’Andriamanitra. (Ge 2:17; 3:3) Maro ny fanazavana naroso momba ilay voankazo voarara. Misy, ohatra, milaza fa firaisana ara-nofo ilay izy fa aseho an’ohatra amin’ny hoe “paoma.” Misy koa milaza fa fahalalana ny mety sy ny tsy mety fotsiny izy io, na fahalalana ananan’ny olona efa matotra sy nahita fiainana ka azo ampiasaina amin’ny fomba tsara na amin’ny fomba ratsy. Tsy firaisana ara-nofo mihitsy anefa ny voan’ilay hazo satria nanome baiko ny Mpamorona hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Ahoana no hahafahany hiteraka sy hitombo taranaka raha tsy manao firaisana izy ireo? Tsy ny fahalalana ny mety sy ny tsy mety koa ilay voankazo, satria tsy maintsy ho efa nanana an’io fahalalana io ny olona tsy nisy ota matoa nasaina nankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy hoe fahalalana azon’ny olona efa matotra koa anefa izy io. Tsy fahotana mantsy ny hoe matotra, ary azo antoka fa tsy manery ny olona ho zaza saina foana ny Mpamorona.
Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe karazana hazo inona ilay izy. Azo inoana anefa fa manondro ny zon’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe “tsara” sy “ratsy” ho an’ny zavaboariny ilay hazo. Ny Mpamorona ihany no manana izany zo izany. Takiny àry ny hanaovana izay lazainy fa tsara sy ny hifadiana an’izay lazainy fa ratsy. Hahazo sitraka foana amin’ilay Andriamanitra Mpanjakan’izao rehetra izao ny zavaboary, raha manao izany. (Jereo HAZO, II.) Nandrara an’ilay mpivady voalohany tsy hihinana tamin’ilay voankazo Andriamanitra, ary nomelohiny izy ireo rehefa tsy nankatò. Ny tsy fankatoavana, izany hoe ny fihinanana tamin’ilay voankazo voarara, àry ilay fahotana tany am-boalohany.—Ge 3:3.
Misy mpanakiana milaza fa tsotra loatra ilay tantara momba izay nitranga tao Edena. Izany mihitsy anefa no tokony ho izy, satria mety tsara amin’ilay fiainana tsotra ilay fitsapana tsotra nitranga tao. Tsotra ny fiainan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy tamin’izy ireo vao noforonina. Tsy novesaran’ireo olana sy zava-manahirana vokatry ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo. Tsotra ilay fitsapana, nefa nampiseho mazava tsara sy tamin’ny fomba mahavariana an’ireto fahamarinana tsy azo lavina ireto: Andriamanitra no manana zo hitondra; tsy mandeha ny fiainan’ny olona raha tsy misy an’Andriamanitra; ary manana adidy aminy ny olona. Marina fa tsotra ny tantara momba izay nitranga tao Edena, nefa ambony lavitra sy mendri-kaja raha oharina amin’ireo tombantombana momba ny niandohan’ny olombelona. Lazain’ireny tombantombana ireny mantsy fa tsy nipetraka tao amin’ny zaridaina ny olona tamin’ny voalohany fa tao anaty lava-bato, ary bado sy tsy nahay ny atao hoe tsara sy ratsy. Tsotra ilay fitsapana tao Edena nefa nampiseho tsara an’ilay toro lalana nambaran’ny Zanak’Andriamanitra, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.”—Lk 16:10.
Tsy natao hanelingelina ny fiainan’ilay mpivady voalohany mihitsy ilay hazo voarara tao Edena, sady tsy natao hiteraka adihevitra. Raha nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra momba azy io i Adama sy Eva, ary nanaraka an’ireo toromarika nomeny, dia tsy ho simba mihitsy ilay zaridaina fonenan’izy ireo fa ho nahafinaritra sy kanto foana. Asehon’ilay tantara fa ilay Fahavalon’Andriamanitra no nampisy adihevitra momba ilay hazo. Izy koa no naka fanahy ny olombelona mba handika ny didin’Andriamanitra. (Ge 3:1-6; ampit. Ap 12:9.) Nanan-tsafidy i Adama sy Eva ka afaka nanao izay tiany. Nifidy ny hanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra izy ireo, ka nafoiny ny Paradisa sy ny fitahiana rehetra mety ho azony tao. Tsy izay ihany anefa! Tsy nahazo nihinana tamin’ny hazo hafa iray tao Edena izy ireo. Manan-jo hiaina mandrakizay anefa izay olona mihinana amin’io hazo io. Noroahin’i Jehovah àry ny olona, “ary napetrany teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.”—Ge 3:22-24.
-
-
Ratsy, Zava-dratsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ny mifanohitra amin’ny hoe tsara no dikan’ny hoe raʽ, raha jerena ny nampiasana azy io voalohany ao amin’ny Soratra Masina. Norarana i Adama mba tsy hihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (raʽ). Nohazavaina taminy koa ny vokany raha tsy mankatò izy. Hita amin’izany àry fa Andriamanitra no mamaritra ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. Tsy manan-jo hanao izany ny olombelona, fa an’Andriamanitra irery ihany izany zo izany. Tsy tokony homen-tsiny i Jehovah raha nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama. “Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy [endriny hafa amin’ny kakôs] mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa. Tsapaina anefa ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.”—Jk 1:13, 14; Ge 2:16, 17; 3:17-19.
-
-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Afaka mifidy ny tsy hahalala mialoha izay rehetra hataon’ny zavaboariny Andriamanitra, satria fantenany izay tiany hofantarina mialoha. Tsy hoe efa tsinjony mialoha ny fizotran’ny tantaran’olombelona rehetra taorian’ny famoronana, ka efa voalahatra mialoha daholo izay hitranga. Tamim-pahatsorana kosa no nilazany tamin’ny mpivady voalohany hoe afaka ny hiaina mandrakizay eto amin’ny tany tsy misy faharatsiana izy ireo. Izy mivady no zanany lahy sy vavy voalohany teto an-tany. Tena tiany izy ireo matoa nataony lavorary sy tsy misy ota, ary nasainy hameno ny tany, hanao ny tany ho paradisa, ary hanjaka amin’ny biby. Tsy asa nampanaoviny azy ireo fotsiny ilay izy, fa fanomezam-boninahitra koa. Tsy hoe efa voaozona ny tsy hahomby izy ireo. Misy antony àry matoa nametraka an’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” tao Edena Andriamanitra. Natao hitsapana azy mivady ilay izy. Natoky azy ireo izy matoa nasiany “hazon’aina” koa tao. Tsy fantany mialoha mantsy hoe hanota izy ireo ka tsy ho afaka hihinana amin’ilay “hazon’aina” mihitsy.—Ge 1:28; 2:7-9, 15-17; 3:22-24.
-