-
JehovahFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy mahagaga àry raha toa i Jehovah ka nanome fitsipika ny amin’izay tokony hataon’ny olona sy ny fifandraisany aminy. Tena tsara ny zava-bitan’i Jehovah, ka afaka nanahaka ny fomba fiasany koa i Adama rehefa nikarakara ny zaridainan’i Edena. (Ge 2:15; 1:31) Nanjary fantatr’i Adama koa ny fitsipiny momba ny fifandraisan’ny mpianakavy, sy momba ny hoe iray ihany no tokony ho vadin’ny olona iray. (Ge 2:24) Nasongadin’Andriamanitra taminy fa tena ilaina ny mankatò ny toromariny, raha tiany ny ho velona foana. Lavorary i Adama, ka tokony hankatò tanteraka an’i Jehovah. Afaka nampiseho izy fa tia sy tsy nivadika tamin’ilay Rainy, rehefa nankatò ny didiny ka tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo nandrarany. (Ge 2:16, 17) Tsotra ilay didy. Tsotra koa anefa ny fiainan’i Adama tamin’izany, tsy nisy olana na korontana toy ny amin’izao. Tsotra ilay fitsapana, ary nampiharihary ny fahendren’i Jehovah. Hoy mantsy i Jesosy, 4 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.”—Lk 16:10.
-
-
Jesosy KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mariho koa fa tsy hoe nisy nanenjika na naka fanahy ilay anjely lasa Satana, matoa nitsahatra tsy nanompo an’Andriamanitra intsony. Tsy Andriamanitra mihitsy no naka fanahy azy, satria ‘tsy mitsapa na iza na iza amin-javatra ratsy’ izy. Nivadika kosa ilay anjely satria “voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.” Nanota àry izy ka lasa mpikomy. (Jk 1:13-15) Hita fa tsy tena tia an’Andriamanitra izy.
-
-
FiainanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsara homarihina anefa fa tsy eken’ny ankamaroan’ny mpikaroka hoe nisy namorona izao rehetra izao. Mihevitra izy ireo fa ho hitan’izy ireo ny antony mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty, sy ny fomba hanalavana ny androm-piainan’ny olona mba hahavelona azy mandrakizay. Odiany tsy fantatra anefa fa ny Mpamorona no namoaka didy nanameloka ny mpivady voalohany ho faty, sy nampihatra an’ilay didy tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’ny olona. Homeny fiainana mandrakizay kosa ireo mino ny Zanany.—Ge 2:16, 17; 3:16-19; Jn 3:16.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fikomiana tao Edena. Tsy fandrarana no tena votoatin’ny sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’i Adama sy ny vadiny, fa filazana fotsiny an’izay tokony hataon’izy ireo. (Ge 1:26-29; 2:15) Zavatra iray no nandrarana an’i Adama: Tsy tokony hihinanany (na hokasihiny akory) ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Ge 2:16, 17; 3:2, 3) Niavaka io fomba nitsapan’Andriamanitra ny fankatoavany sy ny tsy fivadihany io, satria nanaja ny fahamendrehany. Tsy nanana eritreri-dratsy momba an’i Adama Andriamanitra, satria tsy fandrarana azy tsy hanao firaisana tamin’ny biby na hamono olona na zava-dratsy toy izany no nitsapany azy. Toa midika mantsy izany hoe nihevitra azy ho nanana fanirian-dratsy Andriamanitra. Zavatra ara-dalàna ny mihinana, ary efa nasaina nihinana ‘izay laniny’ tamin’izay nomen’Andriamanitra azy izy. (Ge 2:16) Ny voan’ny hazo iray monja anefa no tsy navelan’Andriamanitra nihinanany mba hitsapana azy. Nataon’Andriamanitra nisy heviny an’ohatra àry ny fihinanana an’io voankazo io, izany hoe izay mihinana azy io dia toy ny hoe manana fahalalana manampy azy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay “tsara” na “ratsy” ho an’ny tenany. Tsy nampihafy an’i Adama àry Andriamanitra, ary tsy nihevitra azy hoe hahavita zava-dratsy tsy mendrika an’izay atao hoe zanak’Andriamanitra.
-
-
Fahefana Fara TamponyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nikomy i Adama sy Eva rehefa nihinana tamin’ny voan’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Zon’ilay Mpamorona, izay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, anefa ny nandrara an’i Adama tsy hihinana tamin’ilay voankazo. Zavaboariny mantsy i Adama, ka voafetra ihany ny zavatra azony atao ary nila nanaiky izany izy. Tokony heken’ny zavaboary rehetra manan-tsaina fa manan-jo hitondra ilay Mpamorona ary tokony hanohana izany izy ireo, raha tiana hiadana sy hilamina izao rehetra izao. Ho nasehon’i Adama fa nanaiky an’izany koa izy, raha tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo. Ho lasa rain’ny olombelona rehetra eto an-tany mantsy izy ka tokony ho nankatò sy tsy nivadika, na dia tamin-javatra madinika aza, araka ilay toro lalana hoe: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lk 16:10) Azon’i Adama natao tsara ny nankatò tanteraka. Tsy hoe nisy poizina akory ilay hazo. (Tsy firaisana ara-nofo koa ilay voankazo voarara, satria nandidy azy mivady mba ‘hameno ny tany’ Andriamanitra. [Ge 1:28] Voankazo ara-bakiteny kosa ilay resahin’ny Baiboly eto.) Manazava ny dikan’ilay hazo ny fanamarihana ambany pejin’ny Genesisy 2:17 ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema (1966) hoe:
“Natokan’Andriamanitra ho azy irery io fahalalana io, kanefa nitady hahazo azy io ny olombelona rehefa nanota, [Ge] 3:5, 22. Tsy hoe fahalalana ny zava-drehetra akory izy io, satria tsy lasa nahalala ny zava-drehetra ny olombelona rehefa nanota. Tsy hoe fahaizana manavaka izay tsara sy ratsy koa izy io, satria efa nanana izany fahaizana izany ny olombelona na dia mbola tsy nanota aza, ary azo antoka fa nomen’Andriamanitra an’izany ny zavaboary manan-tsaina. Ny fahefana hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy kosa izy io, sy ny fahefana hanao izay tiana fotsiny. Te hahaleo tena tanteraka ny olombelona, ary tsy te hanaiky intsony hoe noforonina izy. Fieboeboana sy fanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra àry ny fahotana voalohany.”
-
-
Hazo, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra “ny hazon’aina” sy “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” nataon’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena. Tsy lavorary intsony ny olona rehefa tsy nankatò ny didiny momba ilay hazo faharoa.—Ge 2:9, 16, 17; 3:1-24.
Misy mihevitra hoe norarana tsy hanao firaisana ny mpivady voalohany no dikan’ny hoe tsy nahazo nihinana ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy ireo. Diso anefa izany. Nandidy mivantana azy mivady mantsy Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Inona àry no dikan’ilay hazo “fahalalana ny tsara sy ny ratsy” sy ny nandraran’Andriamanitra azy mivady tsy hihinana amin’izy io? Midika izy io fa Andriamanitra no manan-jo hamaritra ny atao hoe “tsara” (ankasitrahan’Andriamanitra) na “ratsy” (tsy ankasitrahany) ho an’ny olona. Natao hitsapana àry ilay hazo raha hanaja ny Mpamorona sy vonona hankatò azy foana ny olona. Tsy hoe voateritery anefa izy mivady fa nomena fahalalahana ka afaka nankafy tsara ny fiainany. Misalovana amin’ny anjara asan’Andriamanitra sy manohitra ny fahefany àry izay tsy mankatò, ka mihinana amin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” efa nandrarany.—Jereo FAHEFANA FARA TAMPONY.
-