-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vokatry ny ota. Nanjary tsy nihavana tamin’ny Mpamorona azy ny olona rehefa nanota. Simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy tamin’ny zavaboary hafa. Nisy voka-dratsiny teo amin’ny sainy sy ny fony ary ny vatany koa ny ota. Tena ratsy be ny vokany teo amin’ny taranak’olombelona.
Hita avy hatrany teo amin’ny fihetsik’ilay mpivady voalohany hoe simba ny fihavanany tamin’Andriamanitra. Nosaronany ny faritra sasany tamin’ilay vatana nomen’Andriamanitra azy, ary niafina an’Andriamanitra izy ireo. Porofo mazava izany fa niala tamin’Andriamanitra ny fony sy ny sainy. (Ge 3:7, 8) Rehefa nanota izy ireo, dia nahatsiaro ho meloka, nitebiteby, natahotra, ary menatra. Nanazava izany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza fa ‘voasoratra ao am-pon’ny’ olona ny lalàn’Andriamanitra. (Ro 2:15) Nanjary nikorontan-tsaina izy rehefa nandika izany lalàna izany, ka niampanga azy ny feon’ny fieritreretany. Toy ny hoe nisy fitaovana famantarana lainga tao anatiny tao, ka tsy afaka nanafina tamin’ny Mpamorona azy izy hoe lasa mpanota. Nitady fialan-tsiny izy rehefa nanazava hoe nahoana no niova ny fihetsiny. Nanontany azy avy hatrany àry ilay Rainy any an-danitra hoe: “Efa nihinananao angaha ny voan’ilay hazo nandidiako anao mba tsy hihinananao?”—Ge 3:9-11.
Tsy maintsy nanatanteraka ny teniny i Jehovah Andriamanitra, ary nitsinjo izay hahasoa ny zavaboariny hafa rehetra. Samy tsy noleferiny àry na ny fahotan’ireo olona noforoniny na ny fahotan’ilay anjely lasa mpikomy. Nitandro ny fahamasinany koa izy, ka rariny raha nomelohiny ho faty izy ireo. Noroahina avy tao amin’ilay zaridaina tao Edena izy mivady, ka tsy afaka nankeo amin’ilay hazo nantsoin’Andriamanitra hoe “hazon’aina.”—Ge 3:14-24.
-
-
RivotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ilay teny hebreo hoe roah, izay matetika no adika hoe “hery mamelona”, dia mety hidika koa hoe rivotra mivezivezy. (Mpto 1:6) Misy teny hebreo hafa koa ilazana ny rivotra, ary azo adika hoe “tadio” (Ho 8:7), “tafio-drivotra”, ‘rivo-mahery mitambolimbolina’ (2Mp 2:11; Je 25:32; 23:19), ary “rivo-mahery.” (Sl 148:8) Midika hoe “rivotra” ilay teny grika hoe pneoma (nadika matetika hoe “fanahy”) ao amin’ny Jaona 3:8, nefa ilay hoe anemôs no ampiasaina matetika kokoa mba hilazana ny rivotra. (Mt 7:25, 27; 11:7; Jn 6:18) Toa ny takariva taloha kelin’ny nilentehan’ny masoandro no tiana holazaina amin’ilay hoe “fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka [heb.: roah].” (Ge 3:8) Matetika mantsy no nisy rivotra malefaka sy mangatsiatsiaka nitsoka, tamin’io fotoana io, tao amin’ny faritra heverina fa nisy ny zaridainan’i Edena.—Jereo FANAHY.
-