-
AbelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny fanatitr’i Abela no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’i Kaina. Tsy resahin’ny Baiboly hoe ahoana no nampahafantaran’Andriamanitra izany. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’izy roa lahy izany. Misy manazava hoe “ny sasany tamin’ny voalohan-teraky ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny” mantsy no fanatitra natolotr’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy resahin’ny Baiboly hoe ny tsara indrindra tamin’ny voankazo. Nieritreritra ve i Abela hoe fanatitra sarobidy kokoa ny zavamananaina iray rehefa alatsaka ny rany? Nosaintsaininy ve ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3:15 momba an’ilay taranaka, izay tsy maintsy halatsaka ny rany? Taonjato maro taorian’i Abela, dia noharina tamin’ny sorona zanak’ondry tsy misy kilema ny sorona nataon’ilay Zanak’Andriamanitra lavorary. (Jn 1:29) Azo antoka anefa fa tsy nahafantatra an’izany mihitsy i Abela. Tatỳ aoriana ny Soratra Masina vao nanazava hoe nahoana no ny fanatitr’i Abela ihany no nankasitrahan’Andriamanitra. I Abela no resahin’ny apostoly Paoly ho olona voalohany nanam-pinoana, ao amin’ny Hebreo 11:4. Nilaza izy fa ny finoany no nahatonga ny fanatiny ‘hisy vidiny kokoa’ noho ny an’i Kaina. Ny 1 Jaona 3:11, 12 kosa milaza fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Hita izany, tatỳ aoriana, rehefa nanda ny torohevitra sy ny fampitandreman’Andriamanitra izy, ary nitetika ny hamono an’i Abela.
-
-
BaibolyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Votoatiny. Mampahafantatra ny lasa sy manazava ny ankehitriny ary manambara ny hoavy io boky tsy manan-tsahala io. Ilay mahalala hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany ihany no nahavita nampanoratra boky toy izany. (Is 46:10) Voalaza ao ny namoronana ny lanitra sy ny tany, ary ny nanomanana ny tany mba ho azon’ny olona onenana. Hazavaina ao koa hoe ahoana no nampisy ny olona sy hoe avy amin’ilay Mpanome aina ihany ny aina. Ilay Mpamorona izay nampanoratra ny Baiboly ihany no afaka manome fanazavana marina tsara toy izany. (Ge 1:26-28; 2:7) Miresaka momba ny loha hevitry ny Baiboly ilay fitantarana momba ny antony mahatonga ny olona ho faty. Voafintina ao amin’ilay faminaniana voalohany momba ‘ny taranaky ny vehivavy’ io loha hevitra io: Hamarinina ny zon’i Jehovah hitondra ary ho tanteraka ny fikasany momba ny tany, amin’ny alalan’ilay Fanjakana hotantanan’i Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina. (Ge 3:15) Maherin’ny 2 000 taona tatỳ aoriana vao nisy resaka momba an’io ‘taranaka’ io indray, rehefa nilaza tamin’i Abrahama Andriamanitra hoe: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.” (Ge 22:18) Nomena toky koa i Davida Mpanjaka, taranak’i Abrahama, 800 taona mahery taorian’izay, fa ho avy aminy ilay ‘taranaka.’ Niresaka momba azy io ireo mpaminanin’i Jehovah tatỳ aoriana mba ho velona ao am-pon’ny olona foana ilay fanantenana. (2Sa 7:12, 16; Is 9:6, 7) Tonga tokoa ilay Taranaka Nampanantenaina, dia i Jesosy Kristy, ilay manan-jo handova “ny seza fiandrianan’i Davida rainy”, 1 000 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Davida na 4 000 taona taorian’ny nilazana ilay faminaniana tany Edena. (Lk 1:31-33; Ga 3:16) Noratrain’ny taranaky ny “menarana” ilay “Zanaky ny Avo Indrindra” ka maty. Ny ain’io Zanaka io no natolotra ho vidim-panavotana, mba hahafahan’ny taranak’i Adama hanan-jo ho velona ka ho afaka hiaina mandrakizay. Nakarina tany an-danitra izy avy eo ary rehefa tonga ny fotoana voatondro, dia natsipiny tamin’ny tany ilay “menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana”, izay haringana mandrakizay. Ilay loha hevitry ny Baiboly resahin’ny Genesisy sy velabelarin’ireo boky samihafa ao amin’ny Baiboly àry no resahina farany ao amin’ireo toko farany amin’ny Apokalypsy: Hampiasa an’ilay Fanjakany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany be voninahitra.—Ap 11:15; 12:1-12, 17; 19:11-16; 20:1-3, 7-10; 21:1-5; 22:3-5.
-
-
KainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hoy i Eva rehefa teraka i Kaina: “Tera-dahy [ara-bakiteny: Namokatra lahy] aho noho ny fanampian’i Jehovah.” (Ge 4:1) Nihevitra angamba izy hoe izy ilay vehivavy nambara fa hiteraka an’ilay taranaka hampiasaina hitondra fanafahana. (Ge 3:15) Diso hevitra tanteraka izy, raha izany. Azony natao ihany anefa ny nilaza fa “noho ny fanampian’i Jehovah” no niterahany an’i Kaina, satria mbola navelan’i Jehovah hiteraka izy sy Adama na dia mpanota aza. Rehefa namoaka didim-pitsarana momba an’i Eva koa Andriamanitra, dia nilaza fa “hiteraka” izy, saingy hanaintaina.—Ge 3:16.
-
-
FifanekenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ilay fampanantenana tany Edena. Nolazain’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva ary ny “menarana” tao amin’ny zaridainan’i Edena ny fikasany, izay hita ao amin’ny Genesisy 3:15.
I Satana Devoly ilay “menarana”, araka ny fahitana nomena ny apostoly Jaona. (Ap 12:9) Asehon’ny porofo koa fa ilay ‘taranak’i’ Abrahama, na Jesosy Kristy, ilay ‘taranaky’ ny “vehivavy” nandrasana hatry ny ela. (Ga 3:16; Mt 1:1) Handratra an’ilay ‘taranaka’ eo amin’ny voditongony ilay menarana. Novonoina ho faty tokoa i Jesosy Kristy. Tsy naharitra anefa ilay ratra, satria natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy. Ilay ‘taranaka’ kosa hanorotoro ny lohan’ilay menarana, izany hoe handringana azy mandrakizay.
Iza àry ilay “vehivavy”? Tsy i Eva akory, satria lasa fahavalon’Andriamanitra izy. Zavaboary ara-panahy i Satana Devoly, ka tsy maintsy ho zavaboary ara-panahy koa ilay ‘taranaka’ handresy sy ‘hanafoana’ azy. (He 2:14) Olombelona i Jesosy Zanak’Andriamanitra tamin’izy teraka. Nandatsahan’Andriamanitra ny fanahy masina anefa izy tamin’izy natao batisa ka nekeny ho Zanany. Lasa Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy àry izy. (Mt 3:13-17; Jn 3:3-5) “Fanahy” koa izy “rehefa novelomina”, na natsangana tamin’ny maty. (1Pe 3:18) Iza àry no ‘renin’ilay’ Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy? Nilaza ny apostoly Paoly fa sary an’ohatra i Abrahama, Saraha, Isaka, Hagara ary Ismaela, ka mifanitsy amin’i Isaka ireo manantena ny ho any an-danitra, anisan’izany i Paoly. Nilaza izy avy eo hoe ‘ilay Jerosalema any ambony no renin’izy ireo.’ Nantsoin’i Jesosy hoe ‘rahalahiny’ koa izy ireo. Midika izany fa iray reny amin’i Jesosy izy ireo. (He 2:11) “Ilay Jerosalema any ambony” àry ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy 3:15.—Ga 4:21-29.
Mila fotoana ilay “menarana” mba hahafahany hanana ‘taranaka’ hifandrafy amin’ny ‘taranaky’ ny vehivavy. Nisy 6 000 taona teo ho eo izay no nanaovana ilay fampanantenana. Hatsipy ao anaty lavaka mangitsokitsoka ilay “menarana”, aloha kelin’ny hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona. Haringana tanteraka izy rehefa tapitra ny arivo taona.—Ap 20:1-3, 7-10; Ro 16:20.
-
-
TetirazanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nampanantena Andriamanitra tany Edena fa hanorotoro ny lohan’ilay Menarana ny Taranak’ilay “vehivavy.” (Ge 3:15) Mety ho efa nisy nieritreritra tamin’izay fa olombelona ny razamben’ilay Taranaka. Rehefa nilazana anefa i Abrahama hoe amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra, vao tena takatra hoe olombelona ny razamben’ilay Taranaka. (Ge 22:17, 18) Nanjary tena zava-dehibe àry ny tetirazan’i Abrahama. Ny Baiboly ihany no miresaka momba ny razamben’i Abrahama sy ny niandohan’ireo firenena avy tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta, zanak’i Noa.—Ge 10:32.
-
-
Andriamanitra sy AndriamanibavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nampiely ny fivavahan-diso tany amin’izay nalehany ireo olona niparitaka, izay nampiasa fiteny vaovao. Tamin’ny andron’i Palega, izay teraka 100 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano, ny olona no niparitaka. Mbola velona i Noa sy Sema zanany tamin’i Palega maty (239 taona). Nahafantatra ny zava-nitranga fahiny, toy ny Safodrano, àry ireo olona niely. (Ge 9:28; 10:25; 11:10-19) Azo antoka fa mbola tadidin’izy ireo ny Safodrano, matoa ny angano fahiny miresaka azy io, na dia tsy tena mitovy amin’ny fitantaran’ny Baiboly aza izy ireny sady milaza fa nisy andriamanitra maro tamin’izany. Mpamono bibilava, hono, ny andriamanitra sasany. Firenena maro fahiny koa no nivavaka tamin’andriamanitra iray mpanao soa, izay nisy namono teto an-tany ary avy eo novelomina indray. Mety ho olona natao andriamanitra izy io, ary noheverina fa ilay ‘taranaka nampanantenaina.’ (Ampit. Ge 3:15.) Resahin’ireo angano fa nanao firaisana tamin’ny vehivavy ireo andriamanitra, ary nahery fo ireo zanany. (Ampit. Ge 6:1, 2, 4; Jd 6.) Saika manana angano momba ny Safodrano eran-tany sy ny fanorenana an’ilay tilikambo ny firenena rehetra eto an-tany.
-
-
Andriamanitra sy AndriamanibavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Maro koa ny Ejipsianina nivavaka tamin’i Isis sy Horus zazakely eo am-pofoany. Mitovy be amin’ny sarin’i Maria Virjiny sy Jesosy zaza ilay izy, ka nisy nivavaka tamin’ilay izy tsy nahy ny olona nilaza azy ho Kristianina. (SARY, Boky Faha-2, p. 529) Toa noheverina fa i Horus andriamanitra ilay taranaka nampanantenaina tany Edena fa hanorotoro ny lohan’ny menarana. (Ge 3:15) Misy sarin’i Horus manitsakitsaka voay sy mihazona bibilava sy maingoka mantsy. Niova ho bibilava koa, hono, i Seta izay namono an’i Osiris rain’i Horus, rehefa namaly faty i Horus.
-
-
LohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Potika sy Torotoro. Mampiasa sarin-teny ny bokin’ny Mpitoriteny mba hilazana ny vokatry ny fahanterana izay mifarana amin’ny fahafatesana. (Mpto 12:1-7) Voalaza ao, ohatra, fa “potika ny vilia baolina volamena.” Ny atidoha sy ny karandoha fitoerany, izay toy ny vilia baolina, no tiana holazaina. Potika mantsy ireo rehefa maty ny olona. Ny hoe ‘torotoro loha’ kosa dia midika hoe maty na ringana. (Sl 68:21; 74:13, 14) Milaza ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly (Ge 3:15) fa hanorotoro ny lohan’ny menarana ‘ny taranaky ny vehivavy’ rehefa avy noratraina teo amin’ny voditongony. Ho tanteraka izany rehefa halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka tsy ahafahany manao na inona na inona mandritra ny arivo taona ilay Menarana (i Satana Devoly), sy rehefa haringana mandrakizay ao amin’ny “farihy afo” na ny “fahafatesana faharoa” izy aoriana kelin’izay.—Ap 20:1-3, 7, 10, 14; 12:9.
-
-
Hebreo, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fahatelo, misy indray milaza fa avy amin’ilay anarana hoe Ebera (ʽEver) ny hoe “Hebreo” (ʽIvri), ary mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Zafiafin’i Sema i Ebera, sady razamben’i Abrahama. (Ge 11:10-26) Marina fa tsy misy zavatra hafa fantatra momba an’i Ebera ankoatra izany. Tsy milaza mantsy ny Baiboly hoe nisy zava-bitany na zavatra nampiavaka azy, ka nahatonga ny taranany hitondra ny anarany. Voaresaka ao amin’ny Genesisy 10:21 anefa izy, satria voalaza ao hoe “razamben’ny zanakalahin’i Ebera rehetra” i Sema. Mbola nampiasaina ela be taorian’ny nahafatesany ny anaran’i Ebera. Firenena na faritra iray no nantsoin’i Balama hoe Ebera, tamin’izy naminany tamin’ny taonjato faha-15 T.K. (No 24:24) Ny fampiasana ilay anarana hoe Ebera koa dia mampiseho fa razamben’ny Israelita ny ‘taranaka’ iray avy amin’i Noa, araka ilay tetirazana ao amin’ny Genesisy 10:1-32.
-
-
Hebreo, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Voatonona manokana tao amin’ilay tetirazana i Ebera, satria tian’Andriamanitra haseho angamba fa ho tanteraka amin’ny taranany ilay tsodrano nomen’i Noa an’i Sema. Tanteraka tamin’ny Israelita tokoa ilay tsodrano. Asehon’ilay tetirazana koa fa taranak’i Sema i Ebera sady razamben’i Abrahama, ka anisan’ny razamben’ilay Taranaka nampanantenain’i Jehovah ao amin’ilay faminanian’ny Genesisy 3:15. Mety tsara koa àry ny iantsoana an’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny Hebreo.”
-
-
VoditongotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milaza ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Genesisy 3:15 fa handratra ny voditongotr’ilay ‘taranaky ny vehivavy’ ny “menarana.” Mampanaintaina ny ratra eo amin’ny voditongotra, nefa tsy maharitra ela ny vokany. I Jesosy ilay “taranaka” (Ga 3:16), ary namono azy ny solontenan’ilay Menarana na i Satana Devoly. (Ap 12:9) Sitrana tamin’ilay ‘ratra’ nanjo azy teo amin’ny “voditongony” anefa izy tamin’ny andro fahatelo, rehefa nanangana azy tamin’ny maty i Jehovah Rainy.—As 2:22-24; 10:40.
-