-
“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
8 Diso hevitra i Eva raha izay no tao an-tsainy. Vao mainka loza aza raha izany no nampidirin’izy mivady tao an-tsain’i Kaina. Mety ho lasa hanambony tena mantsy izy. Niteraka indray i Eva tatỳ aoriana, nefa tsy mba niteny zavatra niavaka hoatran’ny nataony tamin’i Kaina. Nantsoiny fotsiny hoe Abela ilay zaza. (Gen. 4:2) “Fofonaina” na “Zava-poana” angamba no dikan’io anarana io. Mety hoe tsy dia zava-dehibe tamin’izy ireo toa an’i Kaina i Abela, matoa nataony an’izany ny anarany.
-
-
“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
10, 11. Inona ny asan’i Kaina sy Abela, ary inona no nampiavaka an’i Abela?
10 Azo inoana fa nampianatra asa an’i Kaina sy Abela i Adama mba hiveloman’izy ireo. Lasa mpamboly àry i Kaina, fa i Abela kosa mpiandry ondry.
-
-
“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
13 Nanana fotoana nieritreretana tsara koa i Abela tamin’izy nikarakara ny andian’ondriny. Alao sary an-tsaina ange e! Nentiny namakivaky havoana sy lohasaha ny ondriny mandra-pahitany dobo na ahi-maitso na toerana malomaloka mety tsara amin’izy ireo. Nandeha an-tongotra be angamba izy tamin’izany, ary mety ho niampitampita renirano mihitsy aza. Ny ondry no anisan’ny biby mila karakaraina indrindra. Toy ny hoe noforonina mba hisy hitarika sy hiaro foana izy ireo. Mety ho lasa nahatsapa àry i Abela fa izy koa mba mila mpitarika sy mpiaro ary mpikarakara. I Jehovah no tena mahavita an’izany, satria hendry sy mahery lavitra noho ny olona izy. Azo antoka fa niresaka an’izany imbetsaka tamin’ny vavaka i Abela ka vao mainka lasa nanam-pinoana.
-