FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Midika ho Inona ny hoe Tia An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 15 Jona
    • Nianaran’izy ireo fa ny ray aman-dreniny dia noforonina lavorary ary fa fikasan’i Jehovah tany am-boalohany ny hiainan’ny olombelona mandrakizay. Azo inoana fa nilazalaza tamin’izy ireo ny toetoetr’ilay Saha Edena tsara tarehy i Adama sy i Eva, ary tsy maintsy nanazava taminy tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa ny antony nandroahana azy ireo avy tao amin’ny fonenana paradisa toy izany. I Kaina sy i Abela koa dia nety ho nahalala ilay faminaniana avy tamin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 3:15. Tamin’ny alalan’io faminaniana io, dia nilaza ny fikasany handamin-javatra amin’ny fotoana mety i Jehovah, ho tombontsoan’ireo izay tia azy, ary hita fa tsy mivadika aminy.

      Ny fianarana momba an’i Jehovah sy ireo toetrany dia tsy maintsy ho niteraka tao amin’i Kaina sy i Abela faniriana hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Koa nanatona an’i Jehovah tamin’ny fitondrana fanatitra ho azy izy ireo. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’i Jehovah; fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy.” — Genesisy 4:3, 4.

  • Midika ho Inona ny hoe Tia An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 15 Jona
    • Nahoana i Jehovah no nanda ny fanatitr’i Kaina? Nisy zavatra tsy nety ve tamin’ny hatsaran’ny fanatitra nataony? Tezitra ve i Jehovah noho i Kaina nanolotra ny “vokatry ny tany” fa tsy fanatitra biby? Tsy voatery ho izany. Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nanaiky tamim-pifaliana ireo fanatitra hohanina sy ireo vokatry ny tany hafa avy tamin’ny maro tamin’ireo mpivavaka taminy. (Levitikosy 2:1-16). Voaporofo àry fa nisy zavatra tsy nety tao am-pon’i Kaina. Afaka namaky tao am-pon’i Kaina i Jehovah ka nampitandrina azy toy izao: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha [tsy miova mba hanao ny tsara, NW ] kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany”. — Genesisy 4:6, 7.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara