-
Fanaovana Fanatitra Azo Ekena ho An’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Febroary
-
-
Rehefa afaka elaela, ka azo inoana fa efa tonga olon-dehibe i Kaina sy i Abela, dia samy nanao fanatitra ho an’i Jehovah izy ireo. Tsy nahagaga raha nanolotra ny “voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy”, i Abela, satria mpiandry ondry ny tenany. Nanolotra “vokatry ny tany” kosa i Kaina. Neken’i Jehovah ny fanatitr’i Abela, fa i “Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany”. (Genesisy 4:3-5). Fa nahoana kosa?
Misy milaza fa ny fanatitr’i Abela dia avy tamin’ny “voalohan-terak’ondriny”, fa ny an’i Kaina kosa dia “vokatry ny tany” fotsiny. Tsy avy tamin’ny hatsaran’ilay vokatra naterin’i Kaina anefa ny olana, satria milaza ilay fitantarana fa nojeren’i Jehovah tamim-pankasitrahana “i Abela mbamin’ny fanatiny”, ary tsy nankasitrahany kosa i “Kaina mbamin’ny fanatiny”. Koa nijery voalohany indrindra ny toe-pon’ilay mpivavaka taminy àry i Jehovah. Inona no hitany rehefa nanao izany izy? Milaza ny Hebreo 11:4 fa tamin’ny “finoana” no nanaovan’i Abela ny fanatiny. Koa toa tsy nananan’i Kaina àry ilay finoana izay nahatonga ny fanatitr’i Abela ho azo nekena.
-
-
Fanaovana Fanatitra Azo Ekena ho An’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Febroary
-
-
Nifanohitra tamin’izany, dia azo inoana fa tsy nandefa lavitra ny eritreriny tamin’ilay fanatitra nataony i Kaina. “Ny fanatitra nataony dia nanekena fotsiny fa mpanao soa Andriamanitra”, hoy ny hevitra naroson’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19. “Niharihary mazava fa tsy takany hoe tena nisy zavatra tapaka anie teo aminy sy ny Mpamorona azy, sady tsy takany koa ny hilana fieken-keloka na fiankinana tamin’ny fanavotana iray.”
Ankoatra izany, noho i Kaina lahimatoa, dia nety ho sahisahy ratsy mihitsy aza izy ka nilaza fa izy ilay taranaka nampanantenaina izay handringana ilay Menarana, izany hoe, i Satana. Nety ho efa masaka tao an-tsain’i Eva koa ny hahavitan-janany lahimatoa izany fanaovan-javatra feno fanirian-daza izany. (Genesisy 4:1). Mazava ho azy fa raha izany no nantenain’i Kaina sy i Eva, dia diso dia diso tokoa izy ireo.
Tsy lazain’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’i Jehovah ny fankasitrahany ny fanatitra nataon’i Abela. Misy mandroso hevitra fa levon’ny afo avy tany an-danitra ilay izy. Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fitrangan-javatra, dia “tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny”, raha vao takany fa tsy nekena ny fanatitra nataony. (Genesisy 4:5). Hahita loza io Kaina io raha izao no fandehany.
-