-
Fanatonana An’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nilana finoana sy asa tsara ary fanatitra. Nilaina ny finoana sy ny asa tsara mba hahafahana manatona an’Andriamanitra, rehefa jerena ny tantaran’i Kaina sy Abela tamin’izy ireo nanolotra fanatitra. Nila ‘niova ka nanao ny tsara’ i Kaina, vao heken’Andriamanitra ny fanatiny. (Ge 4:5-9; 1Jn 3:12; He 11:4) Voalaza fa “nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah” tamin’ny andron’i Enosa. (Ge 4:26) Toa tsy natao tamim-pinoana anefa izany, satria i Enoka fa tsy i Enosa no olona nanam-pinoana nanarakaraka an’i Abela sy ‘niara-nandeha tamin’Andriamanitra’ ka nahazo sitraka taminy. (Ge 5:24; He 11:5) Tsy nanaja an’Andriamanitra kosa ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Enoka.—Jd 14, 15; jereo ENOKA; ENOSA.
-
-
KainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy resahin’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’Andriamanitra hoe nankasitrahany ny fanatitra iray fa tsy nankasitrahany kosa ny iray. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’i Kaina sy Abela izany. Afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah (1Sa 16:7; Sl 139:1-6), ka fantany fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Niharihary izany toe-pony izany rehefa nolavin’Andriamanitra ny sorona nataony. Nanomboka nisongadina teo amin’ny toetran’i Kaina “ny asan’ny nofo”, dia ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana.” (Ga 5:19, 20) Sosotra i Kaina, nefa nilaza taminy i Jehovah fa hisandratra izy raha miova ka manao ny tsara. Azony natao ny nanetry tena ka nanahaka an’ilay rahalahiny nankasitrahan’Andriamanitra. Nanoro hevitra azy Andriamanitra mba hifehy ny fanirian-dratsy izay efa namitsaka teo am-baravarana ka nitady hangeja azy. Tsy niraharaha izany torohevitra izany anefa i Kaina. (Ge 4:6, 7; ampit. Jk 1:14, 15.) Izany tsy fanajana izany no atao hoe “lalan’i Kaina.”—Jd 11.
-