FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kaina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Noroahin’Andriamanitra tsy ho ao amin’ilay tany i Kaina ho fanamelohana azy. Azo antoka fa midika izany hoe tsy nahazo nonina teny akaikin’ny zaridainan’i Edena izy. Efa voaozona ny tany nefa vao mainka ho henjana ny ozona hihatra amin’ny tany hovoleny ka tsy hamokatra. Nitaraina i Kaina hoe mafy loatra ny saziny. Nanahy koa izy sao hisy hamaly faty azy noho izy namono an’i Abela. Mbola tsy tena nibebaka anefa izy. “Nanao famantarana ho an’i Kaina” i Jehovah, mba tsy hisy hamono azy. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe natao teo amin’ny vatan’i Kaina ilay famantarana na tsia. Azo inoana fa ilay didy hentitra nomen’Andriamanitra ihany ilay “famantarana.” Fantatry ny olona izy io, ary nankatoaviny.​—Ge 4:10-15; ampit. and. 24, izay iresahan’i Lameka momba an’io didy io.

  • Heloka sy Sazy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Natao araka ny endrik’ilay Andriamanitra tia rariny ny olona (Ge 1:26; Sl 37:28; Ml 2:17), ka efa hatramin’ny voalohany no tia rariny. (Is 58:2; Ro 2:13-15) Rehefa nanonona ny didim-pitsarany voalohany i Jehovah, dia ilay mpivady voalohany sy ny menarana (ny Devoly) no nampiharany izany, ho fanajana ny rariny. Fahafatesana no sazin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra, satria nitovy ihany ny tsy nankatò sy ny nikomy tamin’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao. (Ge 2:17; jereo OTA.) Tatỳ aoriana, dia namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, ka nanahy sao hisy hamaly faty azy. Fantany mantsy fa tia rariny ny olona. Tsy nanendry na nanome alalana an’iza na iza hamono an’i Kaina anefa i Jehovah, satria Izy ihany no mpamaly ny ratsy natao. Izany no nahatonga azy hamongotra ny taranak’i Kaina tamin’ny Safodrano. (Ge 4:14, 15) Nilaza i Enoka, 700 taona teo ho eo talohan’ny Safodrano, fa ho avy hampihatra didim-pitsarana amin’izay nanao asa ratsy Andriamanitra.​—Ge 5:21-24; Jd 14, 15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara