FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Noa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nikasa handringana an’ilay tontolo ratsy i Jehovah. Noferan’i Jehovah ny fotoana haharetan’ilay tontolo ratsy, ka hoy izy: “Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny olona aho, satria nofo ihany izy. Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.” (Ge 6:3) Didim-pitsaran’Andriamanitra io, raha ny marina. Niteraka an’ilay lahimatoany (angamba i Jafeta) i Noa, 20 taona teo ho eo taorian’izay, izany hoe tamin’ny 2470 T.K. Teraka koa i Sema, zanany iray hafa, roa taona tatỳ aoriana. Tsy voalaza ny fotoana nahaterahan’i Hama. Fantatra kosa fa efa lehibe izy telo lahy ary efa nanambady, rehefa nasain’Andriamanitra nanamboatra sambofiara i Noa. Azo inoana àry fa 40 na 50 taona monja taorian’izay dia tonga ny Safodrano. (Ge 6:13-18) Nanao fifanekena tamin’i Noa i Jehovah, ka nanomboka nanamboatra ilay sambofiara i Noa (Ge 6:18), ary nanampy azy ny vady aman-janany. ‘Nitory ny fahamarinana’ koa izy, ary nampitandrina an’ilay taranaka ratsy fanahy fa ho avy tsy ho ela ny fandringanana.​—2Pe 2:5.

  • Fanahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mety hidika hoe “Izaho ilay Fanahy” ilay tenin’Andriamanitra hoe “ny fanahiko” (rohi), ao amin’ny Genesisy 6:3 (f.a.p.). Tiany holazaina amin’izany fa fanahy any an-danitra izy, fa tsy hoatran’ny olombelona eto an-tany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara