-
ArarataFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Teo ambonin’ny “tendrombohitra Ararata” no tafapetraka ny sambofiara, taorian’ny Safodrano. (Ge 8:4) “Tany Ararata” no nandositra i Adrameleka sy Sarezera rehefa avy namono an’i Sankeriba rainy, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia. (2Mp 19:37; Is 37:38) Anisan’ireo ‘fanjakana’ nandrava an’i Babylona tamin’ny taonjato fahenina T.K. i Ararata, araka ny faminanian’i Jeremia. (Je 51:27) Asehon’ireo andininy ireo fa tany avaratr’i Asyria no nisy an’i Ararata. Nilaza i Eusèbe sy Jérôme ary ny ankamaroan’ny mpanoratra “kristianina” tany am-boalohany fa i Armenia ihany no Ararata, ary izany no hita ao amin’ny Isaia 37:38 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, sy ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:37 ao amin’ny Vulgate latinina. “Orarto” no iantsoana an’i Ararata ao amin’ireo soratra asyrianina maro nisy tamin’ny andro nanjakan’i Salmanesera I, Asoronasirpala II, Salmanesera III, Tiglato-pilesera III, ary Sargona II, tamin’ny taonjato fahasivy sy fahavalo T.K. Nanoratra i Esara-hadona zanak’i Sankeriba sady mpandova ny fanjakana asyrianina fa resiny tao Hanigalbat, tany Armenia, ny tafik’ireo rahalahiny namono an-drainy. Asehon’ireny soratra asyrianina ireny sy ny nanononan’i Jeremia an’i Ararata niaraka tamin’ny fanjakan’i Miny sy Askenaza fa toa tany amin’ireo tendrombohitra tany amin’ny Farihin’i Van, any Armenia taloha, no nisy an’i Ararata, ka ny loharanon’ny Reniranon’i Tigra no teo atsimony, ary ny Tendrombohitra Caucase no teo avarany.
Ilay tendrombohitra avo indrindra any amin’iny faritra iny no tena antsoina hoe Ararata, ary lazain’ny lovantsofina fa teo no nipetraka ny sambofiaran’i Noa. Misy tendrombohitra roa matsokotsoko mielanelana 11 km eo ho eo any, ary lalina be ny lempona eo anelanelany. Tokotokony ho 5165 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ilay avo kokoa, ary rakotra lanezy foana ny tendrony hatreo amin’ny 900 m. Any atsimoatsinanana kosa ilay iva kokoa, ary 3914 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io. Tena sarotra iakarana ilay avo kokoa. I Parrot no olona voalohany tafakatra teny, tamin’ny 1829. Mampahatsiahy tantara ao amin’ny Baiboly ny anaran-toerana maro any: Aghri Dagh (Tendrombohitry ny Sambofiara), ohatra, no iantsoan’ny Tiorka an’i Ararata, fa Kôh-i-noh (Tendrombohitr’i Noa) kosa no iantsoan’ny Persianina azy io.—Jereo SAMBOFIARA.
-
-
SambofiaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ilay sambofiara”, dimy volana taorian’ny nanombohan’ny Safodrano. Tsy teo an-tampony (efa ho 5165 m) anefa izy io, fa teo amin’ny toerana tsy dia nanahirana an’izay rehetra tao anatiny nandritra ny volana vitsivitsy. Nisokatra indray ny varavarana ka nivoaka ny rehetra, herintaona sy folo andro taorian’ny nanombohan’ny Safodrano.—Ge 7:11; 8:4, 14.
-
-
SafodranoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa sy ny ankohonany tamin’ny andro faha-17 amin’ny volana faha-2 (Oktobra-Novambra) tamin’ny faha-600 taonan’i Noa. (Ge 7:11) Herintaona taorian’izay (nisy 360 andro ny taona iray) ny andro faha-17 amin’ny volana faha-2 tamin’ny taona faha-601. Folo andro taorian’io ny andro faha-27 amin’ny volana faha-2. Tamin’izay andro izay izy ireo no nivoaka ny sambofiara. Nijanona tao nandritra ny 370 andro àry izy ireo. (Ge 8:13, 14) Nanoratra diary i Noa nandritra izany, ary toa 30 andro no nanisany ny iray volana, ka 360 andro ny 12 volana. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe 150 andro ny dimy volana. (Ge 7:11, 24; 8:3, 4) Tsy nanisa ny fotoana araka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany i Noa. Mihoatra kelin’ny 291⁄2 andro ny iray volana raha izany, ka sarotra ny manambatambatra an’ireny tapak’andro ireny.
-