FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Biby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Biby madio sy maloto. Nozarain’Andriamanitra ho sokajy roa ireo biby nasainy nampidirin’i Noa tao amin’ny sambofiara: Biby madio izay tokony hakany fito avy, ary biby maloto izay tokony hakany roa avy. (Ge 7:2, 3, 8, 9) Azo inoana fa ireo neken’i Jehovah hatao sorona no natao hoe biby madio, satria mbola tsy nahazo alalana hihinan-kena ny olona. Fantatr’i Noa àry hoe inona no biby madio azo natolotra teo ambony alitara, rehefa nivoaka ny sambofiara izy. (Ge 8:20) Tsy nisy biby tsy azon-dry Noa mianakavy nohanina tamin’izany, satria hoy i Jehovah: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.”​—Ge 9:3.

  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nanao sorona “biby manidina madio” sy biby hafa i Noa, taorian’ny Safodrano. (Ge 8:18-20) Navelan’Andriamanitra hohanin’ny olona ny vorona, afa-tsy ny rany, taorian’izay. (Ge 9:1-4; ampit. Le 7:26; 17:13.) Ireo vorona “madio” àry dia ireo nekeny hatao sorona. Rehefa nomena mantsy ny Lalàn’i Mosesy vao nisy vorona natao hoe “maloto” ka tsy azo nohanina. (Le 11:13-19, 46, 47; 20:25; De 14:11-20) Tsy resahin’ny Baiboly ny antony nilazan’ny Lalàna hoe “maloto” izy ireny, na dia vorona mpihaza na mpihinana fatim-biby aza ny ankamaroany. (Jereo TAKODARA.) Tsy nisy intsony ny vorona tsy azo nohanina, rehefa natao ny fifanekena vaovao, araka ny nasehon’Andriamanitra tamin’i Petera tao amin’ny fahitana.​—As 10:9-15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara