FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Arkeolojia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Babylonia. Tempoly maromaro miendrika piramida sy tempoly misy ambaratonga ary ny tempolin’i Etemenanki efa rava, no nofongarina tao amin’ny tanànan’i Babylona fahiny sy ny manodidina azy. Matetika ny soratra momba ireny tempoly ireny no ahitana hoe: “Hipaka amin’ny lanitra ny tampony.” Nilaza koa, hono, i Nebokadnezara Mpanjaka hoe: “Nakariko ny tampon’ny Tilikambo misy ambaratonga tao Etemenanki, ka nipaka tamin’ny lanitra.” Toa miresaka momba ny faharavan’ny tempoly iray sy ny nampisafotofotoana ny fiteny ny takelaka tanimanga iray hita teo avaratry ny tempolin’i Mardoka tao Babylona, na dia tsy resahiny aza hoe miendrika piramida ilay tempoly. (Ny Fitantaran’ny Kaldeanina ny Genesisy, nataon’i George Smith, fa nohavaozin’i A. Sayce sy nahitsiny [ary nampiany], 1880, p. 164) Tanimanga sy biriky ary godorao no nanamboarana an’ilay tempoly tao Ourouk (antsoin’ny Baiboly hoe Ereka).​—Ampit. Ge 11:1-9.

  • Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fantenany izay hofantariny mialoha. Raha marina ny hoe fantenan’Andriamanitra izay tiany hofantarina mialoha, dia tokony hifanaraka amin’ny fitsipiny sy izay lazain’ny Teniny momba azy izany. Asehon’ny andininy maro tokoa fa tsy mandahatra mialoha an’izay hitranga Andriamanitra, fa mandinika an’izay mitranga izy vao manapa-kevitra ny amin’izay hataony.

      Nijery sy nandinika an’izay nitranga tao Babela izy, ohatra, vao nanapa-kevitra hoe inona no hatao mba hampandamòka ny tetikasan’ireo mpikomy tao. (Ge 11:5-8) Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa haniraka anjely hamotopototra momba ny fitomboan’ny faharatsiana tao Sodoma sy Gomora izy. Fa nahoana? Hoy izy: “Mba hahitako raha tena araka ny fitarainana tonga atỳ amiko tokoa ny zavatra ataony. Ary raha tsy araka izany, dia ho fantatro koa.” (Ge 18:20-22; 19:1) Nilaza koa Andriamanitra hoe ‘efa fantany tsara i Abrahama.’ Rehefa saika hanao sorona an’i Isaka anefa i Abrahama, vao tena niaiky i Jehovah hoe: “Fantatro tokoa izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.”​—Ge 18:19; 22:11, 12; ampit. Ne 9:7, 8; Ga 4:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara