FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiteny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nahoana no misy fiteny isan-karazany?

      Misy 6000 eo ho eo ny fiteny eran-tany, hoy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Ampiasain’ny olona an-jatony tapitrisa ny fiteny sasany, fa ny hafa kosa ampiasain’ny olona tsy ampy arivo akory. Mety hitovy ny hevitra ampitaina, fa ny fomba ilazana azy no maro samy hafa. Ny Baiboly irery no manazava ny niavian’ireo fiteny maro isan-karazany.

      “Nampiasa fiteny [a.b.t.: molotra] iray ihany” ny olona rehetra taoriana kelin’ny Safodrano, “sady nitovy ny teny nampiasainy.” (Ge 11:1) Ny fiteny nantsoina hoe hebreo io “fiteny” voalohany io. (Jereo HEBREO, II.) Ho hitantsika fa tsy avy amin’ny teny hebreo na misy ifandraisany amin’ny teny hebreo daholo akory ny fiteny rehetra, fa izy io kosa no talohan’ny fiteny hafa rehetra.

      Nisy olona niray hina mba hanao tetikasa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra (izay nolazaina tamin’i Noa sy ny zanany), taorian’ny Safodrano. (Ge 9:1) Tsy niparitaka ‘hameno ny tany’ izy ireo, fa nivondrona teo amin’ilay toerana nantsoina hoe Lemak’i Sinara tany Mezopotamia. Tao koa ny foiben’ny fivavahany, ary nasiany tilikambo fivavahana tao.​—Ge 11:2-4.

      Tsy vita anefa ilay tetikasa satria nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra nisafotofoto ny fitenin’izy ireo. Tsy afaka niray hina sy niara-niasa intsony izy ireo ka niparitaka eran-tany. Tsy afaka ny hanao ratsy bebe kokoa ka hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra àry izy ireo. Tsy afaka ny hanambatra ny fahaizany sy ny heriny mba hampahalaza ny tenany mantsy izy ireo. Ho sarotra amin’izy ireo koa ny hanovo amin’ny fahalalana azon’ireo olona samy hafa fiteny, dia fahalalana azo avy tamin’ny traikefa na ny fikarohana natao, fa tsy avy tamin’Andriamanitra. (Ampit. Mpto 7:29; De 32:5.) Nampisara-bazana ny olona ny nampisafotofotoana ny fiteniny, nefa koa nahasoa azy ireo satria ho elaela indray izy ireo vao ho afaka hanatratra tanjona mampidi-doza sy ratsy. (Ge 11:5-9; ampit. Is 8:9, 10.) Efa tsinjon’Andriamanitra hoe inona no hitranga raha tsy nosakanany ilay tetikasa tao Babela. Jereo fotsiny ange izay vitan’ny olona ankehitriny noho ny fampiasany amin’ny fomba ratsy ny fahalalana nangoniny e!

      Misy sokajiny maro ny fiteny, hoy ny manam-pahaizana. Tsy fantatra izay fiteny niavian’ny sokajy lehibe tsirairay, na izay fiteny nipoiran’ny fiteny an’arivony ampiasaina ankehitriny. Tsy milaza ny Baiboly hoe avy tamin’ny teny hebreo ny fiteny rehetra. Tanisaina ao amin’ny lisitr’ireo firenena (Ge 10) ny taranaky ny zanak’i Noa (Sema, Hama, ary Jafeta) “araka ny fianakaviany, sy araka ny fiteniny, ary tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.” (Ge 10:5, 20, 31, 32) Toa tsy namorona tenim-paritra hebreo àry i Jehovah Andriamanitra rehefa nampisafotofoto ny fitenin’ny olona, fa namorona fiteny maro vaovao tanteraka, izay samy azo ampitana hevitra sy fihetseham-po.

      Tsy ‘nitovy intsony ny teny’ (Ge 11:1) na voambolana, sy ny fitsipi-pitenenana ary ny fomba firafitry ny teny ‘nampiasain’ny’ mpanorina an’i Babela, rehefa nasafotofoto ny fiteniny. Hoy ny Profesora S. Driver: “Tsy ny fitsipi-pitenenana sy ny fototeny ihany anefa no tsy itovizan’ireo fiteny, fa ... ny fomba ilazana hevitra ao anaty fehezanteny koa. Tsy mitovy fomba fisainana ny olona samy hafa firazanana. Izany no tsy mampitovy ny firafitry ny fehezanteny amin’ny fiteny samy hafa.” (Diksionera Momba ny Baiboly, nataon’i J. Hastings, 1905, Boky Faha-4, p. 791) Hafa mihitsy àry ny fomba fisainan’ny olona mampiasa fiteny hafa, ka sarotra amin’izay mianatra an’ilay izy ny ‘mieritreritra amin’ilay fiteny.’ (Ampit. 1Ko 14:10, 11.) Toa hafahafa amin’ny olona mampiasa fiteny iray ny zavatra adika ara-bakiteny amin’ny fiteniny, ka matetika izy no milaza hoe: ‘Tsy misy dikany mihitsy izany!’ Rehefa nampisafotofoto ny fitenin’ny olona tao Babela àry i Jehovah Andriamanitra, dia toa nanaisotra tao an-tsain’izy ireo ny fiteniny taloha, vao nampiditra voambolana sy fomba fisainana ary fitsipi-pitenenana vaovao.​—Ampit. Is 33:19; Ezk 3:4-6.

      Vaninteny iray monja, ohatra, ny teny tsirairay amin’ny fiteny sasany, toy ny teny sinoa. Vaninteny maromaro kosa ny voambolana amin’ny fiteny maro, izany hoe fototeny misy tovona sy/na tovana, toy ny hoe fihavanana (tovona: fi; fototeny: havana; tovana: ana). Tena zava-dehibe amin’ny fiteny sasany ny filahatry ny teny ao anaty fehezanteny, fa tsy toy izany kosa amin’ny fiteny hafa. Manana matoanteny isan-karazany ny fiteny sasany, fa tsy manana kosa ny hafa, toy ny teny sinoa. Maro tsy voatanisa ny tsy itovizan’ireo fiteny, ka mila folahina be ny saina rehefa mianatra azy ireny.

      Toa lasa nisy tenim-paritra maromaro ireo fiteny vaovao nampiasain’ireo niala tao Babela. Matetika no nivoatra ho fiteny hafa ny tenim-paritra ka tsy fantatra intsony indraindray ny fifandraisan’ireo fiteny hafa ireo tamin’ny tenim-paritra na fiteny niaviany. Na ny taranak’i Sema aza lasa niteny aramianina, akadianina, ary arabo ankoatra ny teny hebreo, na dia toa tsy anisan’ireo nanorina an’i Babela aza izy ireo. Mety ho nampiova ny fiteny ny elanelan-tany, fahasamihafan’ny toerana, ady sy fanjanahan-tany, fahatapahan’ny fifandraisana, ary fifindra-monina. Nisy àry fiteny lehibe fahiny nizarazara ho tenim-paritra, ary nisy fiteny nifangaro tamin’ny fiteny hafa, na nanjavona tanteraka ka nosoloan’ny fitenin’ireo mpanjana-tany.

      Manaporofo izany ny voka-pikarohana momba ny fiteny. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao: “Ny hany fôsily momba ny fiteny, dia ireo soratra tranainy indrindra hita, izay nosoratana 4000 na 5 000 taona lasa tany ho any.” (1985, Boky Faha-22, p. 567) Hoy koa ny gazety iray: “Sarotra be noho ireo fiteny ankehitriny ny fiteny fahiny niavian’ireo fiteny ireo ... Toa tsy hoe tsotra kely dia avy eo nihasarotra ny fiteny taloha tsy voarakitra an-tsoratra, fa fiteny sarotra be kosa izay lasa tsotra kokoa ankehitriny.” (Siansa An-tsary, Jolay 1948, p. 63) Hoy ny Pr. Mason, manam-pahaizana momba ny teny: “Tsy marina mihitsy ny hoe ningerongerona fotsiny ny ‘olon-dia’ sady tsy nahay nilaza hevitra toy ny ataon’ny firenena ‘mandroso’ maro. ... Be pitsiny noho ny fiteny eoropeanina ny fiteny maro ampiasain’ny firenena tsy mahay taratasy.” (Gazety Momba ny Siansa, 3 Septambra 1955, p. 148) Tsy voaporofo àry ny hoe ngerongerona ny fiteny voalohany na ny fiteny fahiny, ka hoe nivoatra tatỳ aoriana.

      Hoy Atoa Henry Rawlinson, manam-pahaizana momba ny fiteny tatsinanana, mahakasika ny toerana niandohan’ny fiteny fahiny: “Raha ny fiandohan’ireo fiteny fotsiny no ifantohana, fa tsy ny voalazan’ny Soratra Masina, dia mbola hanatsoaka hevitra ihany isika fa avy teo amin’ny lemak’i Sinara no niparitahan’ireo fiteny samihafa.”​—Ny Gazetin’ny Fikambanana Aziatika any Grande-Bretagne sy Irlandy, Londres, 1855, Boky Faha-15, p. 232.

      Ireto avy ny sokajy lehibe misy an’ireo fiteny, hoy ny manam-pahaizana: Karàna sy eoropeanina, sinoa sy tibetanina, afrikanina sy aziatika, japoney sy koreanina, dravidianina (any Azia Atsimo), malezianina sy polinezianina, ary fitenin’ny Afrikanina mainty hoditra. Mbola misy fiteny maro anefa tsy hita hoe inona no sokajy asiana azy. Mbola mizarazara koa ny sokajy lehibe tsirairay. Ao anatin’ny sokajin’ny teny karàna sy eoropeanina, ohatra, ny teny alemà, romance (italianina tranainy), baltika sy slavy, karàna sy iranianina, grika, selta, albaney, ary armenianina. Mbola mizarazara koa ny ankamaroan’ireo. Ao anatin’ny sokajin’ny teny romance, ohatra, ny teny frantsay, espaniola, portogey, italianina, ary romanianina.

  • Anarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Samy manana ny filazany ny manam-pahaizana raha anontaniana momba ny niandohan’ny anarana sasany, ny fototeniny, ary ny dikany. Tsy mitovy àry ny dikan’ny anarana ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny boky samy hafa. Ity boky Fandalinana ny Soratra Masina ity kosa mifototra amin’izay lazain’ny Baiboly rehefa milaza ny dikan’ny anarana iray, toy ny hoe Babela, ohatra. Hoy i Mosesy: “Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Babela, satria tao no nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo.” (Ge 11:9) Nampifandraisiny tamin’ny matoanteny fototeny hoe balal (atao misafotofoto) ny hoe “Babela”, ka midika hoe “Fisafotofotoana.”

  • Firenena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ny niandohan’ireo firenena. Taorian’ny Safodrano no nanomboka nizara ho firenena ny olona, tamin’izy ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela. Niray hina hanohitra ny fikasan’Andriamanitra ireo nanorina izany. “Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo” tamin’izany “sady nitovy ny teny nampiasainy”, ka tena mora taminy ny niara-nanao zavatra. (Ge 11:1-4) Hitan’i Jehovah izany ka nasafotofotony ny fitenin’izy ireo, ary ‘naparitany avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.’​—Ge 11:5-9; SARINTANY, Boky 1, p. 329.

      Tsy nifankahazo resaka izy ireo, ka izay nitovy fiteny no niaraka ary nanjary nanana ny kolontsainy, ny zava-kantony, ny fombany, ny toetrany, ary ny fivavahany. Samy nanana ny fanaony ny antokon’olona tsirairay. (Le 18:3) Tafasaraka tamin’Andriamanitra ireny vahoaka samihafa ireny, ary samy nanamboatra sampy mba hampisehoana an’ireo andriamanitra voalazan’ny anganony.​—De 12:30; 2Mp 17:29, 33.

      Nisy fizarana telo lehibe ireny firenena ireny, satria avy tamin’ireo zanaka sy zafikelin’izy telo lahy zanak’i Noa, izany hoe i Jafeta sy Hama ary Sema. Ireo no nolazaina fa nipoiran’ireo firenena nitondra ny anaran’izy telo lahy. Azo lazaina àry hoe ny lisitra ao amin’ny Genesisy toko faha-10 no lisitra tranainy indrindra nanasokajiana an’ireo firenena. Mitanisa firenena 70 ilay izy: Avy tamin’i Jafeta ny 14, avy tamin’i Hama ny 30, ary avy tamin’i Sema ny 26. (Ge 10:1-8, 13-32; 1Ta 1:4-25) Raha mila fanazavana fanampiny momba ireo firenena ireo, dia jereo ny TABILAO, Boky 1, p. 329 sy ny lahatsoratra momba ny tsirairay amin’ireo taranaka 70 avy tamin’i Noa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara