FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Alitara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nanorina alitara tao Sekema i Abrahama (Ge 12:7), avy eo nanorina teo anelanelan’i Betela sy Ay (Ge 12:8; 13:3), tany Hebrona (Ge 13:18), ary teo an-tendrombohitra Moria, izay nanolorany ondrilahy nomen’Andriamanitra azy ho solon’i Isaka. (Ge 22:9-13) Teo amin’io tendrombohitra io ihany no voalaza hoe nanao sorona teo ambony alitara i Abrahama. Azo inoana anefa fa nanao fanatitra izy isaky ny nanorina alitara, rehefa jerena ny dikan’ny teny hebreo. Nanorina alitara tany Beri-sheba i Isaka (Ge 26:23, 25), ary nanorina tany Sekema sy Betela i Jakoba. (Ge 33:18, 20; 35:1, 3, 7) Nitovy tamin’ny alitara notakin’ny Lalàn’Andriamanitra ny alitara naorin’ny loham-pianakaviana fahiny: Dongon-tany na vato tsy voapaika maromaro mifanongoa natao marin-tampona ilay izy.​—Ek 20:24, 25.

  • Fifanekena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fifanekena tamin’i Abrahama. Toa nanomboka nanan-kery ilay fifanekena, tamin’i Abrama (Abrahama) niampita ny Reniranon’i Eofrata mba ho any Kanana. Natao 430 taona taorian’izay ny fifaneken’ny Lalàna. (Ga 3:17) Tany Oran’ny Kaldeanina tany Mezopotamia i Abrahama no nasain’i Jehovah nankany amin’ilay tany mbola hasehony azy. (As 7:2, 3; Ge 11:31; 12:1-3) Milaza ny Eksodosy 12:40, 41 (LXX) fa ‘tamin’ilay andro’ nahataperan’ny 430 taona nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta sy Kanana, no niala tany Ejipta izy ireo. Ny 14 Nisana 1513 T.K., tamin’ny Paska, io andro nanafahana azy ireo io. (Ek 12:2, 6, 7) Toa midika àry izany fa niampita an’i Eofrata tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K. i Abrahama, ka tamin’izay no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena natao taminy. Nanome tsipiriany fanampiny momba ilay fampanantenana Andriamanitra, rehefa nankany Kanana i Abrahama ka tonga hatrany Sekema. Niseho taminy indray Izy ka nilaza hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Midika izany fa misy ifandraisany amin’ilay fampanantenana tany Edena ilay fifanekena, ary olombelona no razamben’ilay ‘taranaka.’ (Ge 12:4-7) Nisy tsipiriany hafa koa nolazain’i Jehovah tatỳ aoriana, araka ny hita ao amin’ny Genesisy 13:14-17; 15:18; 17:2-8, 19; 22:15-18.

  • Gerizima, Tendrombohitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Teo anelanelan’ny Tendrombohitra Gerizima sy Ebala, “teny akaikin’ireo hazoben’i More”, i Abrama (Abrahama) no nitoby fahiny. Teo i Jehovah no nampanantena azy hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” (Ge 12:6, 7) Teny amin’ny manodidina an’io toerana io koa i Jakoba no nitoby.​—Ge 33:18.

  • Toerana Nalehan’i Abrahama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara