-
Abrahama — Mpaminany sady sakaizan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Oktobra
-
-
NITA an’i Eofrata ny tafika mitambatry ny mpanjaka efatra tany Atsinanana. Nanaraka ny arabem-panjakana izy ireo, tany atsinanan’ny lohasahan’i Jordana. Teny am-pandalovana izy ireo dia nandresy ny Refaima, ny Zozima, ny Emima sy ny Horita. Avy eo, dia niverina izy ireo ka nanao fahirano ny atsimon’i Negeba manontolo.
Inona no zava-nokendrena tamin’io fanafihan’ny tafika io? Ny nalaina ho babo, ny Distrikan’i Jordana, dia lohasaha teo anelanelan’ny faritra notafihina tao Transjordania sy Negeba (Genesisy 13:10). Tao, ny mponin’ny Tanàna Fanjakana dimy, Sodoma, Gomora, Adma, Zeboima sy Bela, dia nanana fiainana tsy nisy fanahiana sy niroborobo (Ezekiela 16:49, 50). Rehefa resin’ilay toa nibaiko ireo tafika nitambatra, dia Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, izy ireo dia nikomy. Rehefa tsy nahazo ny fanohanan’ireo manodidina azy izy ireo izao, dia tsy maintsy hampamoahiny. Nandresy tamin’ny ady nanaraka izany i Kedorlaomera sy ireo mpiandany taminy ary niverina nody nivesatra zavatra azo babo be dia be.
Anisan’ireo babo ny lehilahy marina iray natao hoe Lota. Zana-drahalahin’i Abrahama, izay nipetraka tsy lavitra teo, tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Hebrona, izy io. Raha vao nandre ny vaovao ratsy i Abrahama, dia namory 318 tamin’ireo namany. Tamin-kerim-po, nampian’ny olona vitsivitsy teny amin’ny manodidina, dia nimaona nanenjika ireo mpanjaka efatra izy ary nahatratra ny tafiny tamin’ny alina. Nandositra ireo mpanafika. Afaka Lota sy ny ankohonany mbamin’ny babo hafa, ary azo indray ireo fananana.
Moa ve isika manana antony tokony hinoana io fitantarana voasoratra ao amin’ny toko faha-14 amin’ny Genesisy io? Notefitefena fotsiny ve io tantara io mba hanaovana ilay razamben’ny firenena maro, anisan’izany ny Jiosy, ho olo-malazam-pirenena? Inona no holazaina ny amin’ny fisehoan-javatra hafa izay nanamarika ny fiainan’i Abrahama?
-
-
Abrahama — Mpaminany sady sakaizan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Oktobra
-
-
Ny fanafihana an’i Kedorlaomera
Inona no holazaina ny amin’ny nandresen’i Abrahama an’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama? Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, dia kely monja ny zavatra fantatra momba ny Elamita. Tsy nety nino ireo mpanakiana ny Baiboly fa hoe nanan-kery tao Babylonia, indrindra ka hoe tany Palestina, i Elama. Amin’ny endriny hafa anefa izao no ahitana ny Elamita. Ahariharin’ny arkeolojia fa fanjakana mpiady mahery izy ireo. Milaza toy izao momba izany ny boky fakan-kevitra iray (Funk & Wagnalls Standard Reference Encyclopedia): “Nandrava ny tanànan’i Ora ny Elamita tany amin’ny 1950 alohan’ny fanisan-taona iraisana. (...) Taorian’izany izy ireo dia nanan-kery lehibe teo amin’ireo filohan’i Babylonia.”
Afa-tsy izany koa, dia hita teo amin’ny soratra tranainy ny anarana mpanjaka elamita. Ny sasany manomboka amin’ny teny hoe “Kudur”, izay mampahatsiahy ny hoe “Kedoro”. Ny andriamani-bavy elamita nalaza iray dia nantsoina hoe Lagamara, anarana mitovy amin’ny hoe “laomera”. Misy mpanoratra tantara mihevitra àry izao fa filoha tena nisy tokoa Kedorlaomera, ka ny dikan’ny anarany angamba dia hoe “mpanompon’i Lagamara”. Soratra babyloniana maromaro no mitondra anarana mitovitovy amin’ny an’ireo mpanjaka nitambatra: Tudhula (Tidala), Eri-aku (Arioka) sy Kudur-lahmil (Kedorlaomera) (Genesisy 14:1). Ao amin’ilay boky hoe Tsiambaratelon’ny fanambaran’Andriamanitra (anglisy), dia izao no nanampin’i A. Custance: “Afa-tsy ireo anarana ireo, dia misy andinindininy toa mifandray amin’ireo fisehoan-javatra nitranga tany Babylonia fony nanorina ny fanapahany tao ny Elamita (...). Manamarina tsara tokoa ny Soratra masina ireo takelaka ireo, hany ka nanao avy hatrany izay rehetra azony natao ireo mpanohana ny fanakianana ambony mba hiniavana hanaisotra aminy ny maha-zava-dehibe azy rehetra.”
-