-
JehovahFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azontsika àry ny tian’i Jehovah holazaina tamin’i Mosesy, rehefa nilaza izy hoe: “Izaho no Jehovah. Niseho tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba aho, tamin’ny maha Andriamanitra Mahery Indrindra ahy. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa, mbola tsy tena nampahafantariko azy.” (Ek 6:2, 3) Efa samy nampiasa imbetsaka an’ilay anarana ireo razamben’i Mosesy ireo. Te hilaza àry i Jehovah fa mbola kely ihany ny zavatra nampahafantariny azy ireo momba ny tenany. Intỳ misy ohatra: Mbola tsy tena nahalala an’i Abrama tamin’ilay anarany hoe Abrahama (midika hoe “Rain’ny Vahoaka (Maro)”), ireo nahafantatra azy tamin’ny mbola i Ismaela fotsiny no zanany. Rehefa teraka i Isaka sy ny zanany lahy hafa ary niteraka koa ireo, vao azon’izy ireo kokoa ny dikan’ilay hoe Abrahama. Toy izany koa fa ho azon’ny Israelita kokoa izao ny hevitr’ilay anarana hoe Jehovah.
Tsy fahalalana ambangovangony fotsiny ny hoe “mahalala” eto. Nahafantatra ny anaran’i Davida, ohatra, i Nabala, nefa mbola nanontany ihany hoe: “Fa iza moa i Davida?” Te hilaza izy hoe: “Zinona koa izay Davida?” (1Sa 25:9-11; ampit. 2Sa 8:13.) Hoy koa i Farao tamin’i Mosesy: “Fa i Jehovah moa no iza no tokony hihaino ny feony aho, ka handefa ny Israely? Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany, sady tsy alefako koa ny Israely.” (Ek 5:1, 2) Te hilaza i Farao fa tsy nekeny hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, ka afaka nibaiko an’ilay mpanjakan’i Ejipta ny amin’izay tokony hataony. Tsy nekeny koa hoe afaka nanatanteraka ny sitrapony Izy, araka ny efa nambaran’i Mosesy sy Arona. Hahalala an’ilay tena Andriamanitra sy ny tena hevitry ny anarany anefa izao i Farao sy ny vahoakany ary ny Israelita. Hanatanteraka ny fikasany momba ny Israelita mantsy i Jehovah, araka ny efa nolazainy tamin’i Mosesy, ka hanafaka azy ireo ary hanome azy an’ilay Tany Nampanantenaina. Nanaja an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’ny razamben’izy ireo izy tamin’izany. Inona no ho vokany? Hoy izy: “Ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”—Ek 6:4-8; jereo MAHERY INDRINDRA.
Marina tokoa àry ny tenin’i D. Weir, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, hoe “tsy nijery andininy hafa” ireo milaza fa ao amin’ny Eksodosy 6:2, 3 i Jehovah vao nampahafantatra ny anarany. Hoy koa izy: “Raha nijery izy ireo, dia ho takany fa tsy ireo vaninteny roa anoratana ny hoe Jehovah [amin’ny teny hebreo], no tiana holazaina amin’ny hoe anarana eto, fa ny hevitr’ilay anarana. Milaza, ohatra, ny Isaia 52:6 hoe: ‘Koa ny oloko dia hahalala ny anarako’; ny Jeremia 16:21 hoe: ‘Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako’; ary ny Salamo, ny Sl 9:[10, 16] hoe: ‘Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.’ Hitantsika avy hatrany amin’ireo andininy ireo fa tsy hoe mahalala an’ireo litera efatra fotsiny no dikan’ny hoe mahalala ny anaran’i Jehovah, fa mahatakatra koa hoe tena mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany ny maha izy an’i Jehovah. (Ampit. Is 19:20, 21; Ezk 20:5, 9; 39:6, 7; Sl 83:[18]; 89:[16]; 2Ta 6:33.)”—Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly, Boky I, p. 856, 857.
-
-
Herin’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Andriamanitr’i Abrahama i Jehovah. Ilay Mahery Indrindra no nahalalan’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba taranany an’Andriamanitra. (Ek 6:3) Toy ny ‘ampinga’ niaro azy mianakavy tamin’ny olo-mahery teto an-tany Izy. (Ge 12:14-20; 14:13-20; 15:1; 20:1-18; 26:26-29; Sl 105:7-15) Tsy “misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah” matoa mbola niteraka an’i Isaka ny ray aman-dreniny, na dia efa antitra aza. (Ge 18:14; 21:1-3) Nitahy ny mpanompony Izy, ary nanome azy izay nilainy rehefa nisy mosary. (Ge 12:10; 13:1, 2; 26:1-6, 12, 16; 31:4-13) Niahy an’i Abrahama i Jehovah ilay “Mpitsara ny tany manontolo” rehefa nitsimbina an’i Lota, lehilahy tsy nivadika, sy ireo zanany vavy, tamin’izy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Sodoma sy Gomora tanàna nalaza ratsy. (Ge 18:25; 19:27-29; Jk 2:23) Nino mafy àry ireny mpanompony ireny fa velona sy mahery Andriamanitra ary “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (He 11:6) Rehefa nasaina nanao sorona an’ilay zanany malala i Abrahama, dia natoky tanteraka fa hain’Andriamanitra ny manangana an’i Isaka amin’ny maty.—He 11:17-19; Ge 17:7, 8.
-