-
TafikaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Israelita. Niala tany Ejipta ny firenen’Israely, 400 taona taorian’izay. Maimaika be ny nialan’izy ireo tany, nefa voalamina tsara. “Nilahatra toy ny tafika” izy ireo tamin’izay, ary angamba nizara dimy: Ny teo afovoany, ny loha laharana, ny vodilaharana, ary ny sisiny roa. (Ek 6:26; 13:18) Nanenjika azy ireo ny tafika ejipsianina nisy ‘kalesy voafantina eninjato niaraka tamin’ny kalesy hafa rehetra tao Ejipta.’ Matetika no miaramila telo no tao amin’ny kalesy iray, ka ny iray namily ary ny roa niady. Azo inoana fa mpandefa zana-tsipìka ireo roa ireo, satria ny tsipìka no tena fitaovam-piadian’ny Ejipsianina. Nanaraka azy ireo ny miaramila mpitaingin-tsoavaly. (Ek 14:7, 9, 17) Toy izao ny tafika nanenjika ny Hebreo, araka ny voalazan’i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, II, 324 [xv, 3]): “Kalesy 600 sy mpitaingin-tsoavaly 50 000 ary miaramila 200 000 mandeha an-tongotra sy mirongo fiadiana.”—Jereo MANAMBONINAHITRA LEFITRA.
-
-
TobyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tobin’ny Israely. Tsy nikorontana ny Israely niala tany Ejipta, fa “nilahatra” nilamina tsara “toy ny tafika”, satria “tafik’i Jehovah.” (Ek 13:18; 12:41; 6:26) Mety ho toy ny tafika iray nizara dimy izy ireo, ka nisy ny loha laharana, ny teo afovoany, ny vodilaharana, ary ny sisiny roa. Mbola teo ambany fahefan’ny loham-pianakaviana ny Israelita tamin’izay, ka arakaraka ny foko sy fianakaviambe ny filaharany rehefa nifindra. Anisan’ny ankohonana ny mpanompo sy mpiasa ary olon-kafa niaraka tamin’ny fianakaviana. Azo inoana àry fa nampiarahina tamin’ny foko sy fianakaviana samihafa ireo “olona maro hafa firenena” niala tany Ejipta.—Ek 12:38; No 11:4; De 29:11.
-