FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Andro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Inona no dikan’ilay hoe “eo anelanelan’ny takariva roa”?

      Tokony hovonoina ny 14 Nisana “eo anelanelan’ny takariva roa” ny zanak’ondrin’ny Paska. (Ek 12:6) Nanomboka tamin’ny mitataovovonana (manomboka mihilana ny masoandro) mandra-pilentiky ny masoandro izany, hoy ny lovantsofina jiosy. Toa mifanitsy amin’ny filentehan’ny masoandro anefa ilay takariva voalohany, ary amin’ilay fotoana maizimaizina tsy ahatazanana firy ny tara-masoandro iny intsony ny takariva faharoa. (De 16:6; Sl 104:19, 20) Toy izany koa ny hevitr’i Aben Ezra raby espaniola (1092-1167), ny Samaritanina, ny Jiosy karahita, sy ireo manam-pahaizana toa an’i Michaelis, Rosenmueller, Gesenius, Maurer, Kalisch, Knobel, ary Keil.

  • Ora, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Ilazana fotoana fohy, fotoana tsy miovaova sy voafaritra tsara, na ampahany amin’ny andro ny teny grika hoe hôra (ora), ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy nampiasa hoe “ora” kosa ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Toa nozarain’ny Israelita fahiny ho efatra ny andro mazava. (Ne 9:3, f.a.p.) Tsy nilaza ora voafaritra ny Soratra Hebreo, fa nanao hoe “maraina”, “mitataovovonana”, ary “takariva.” (Ge 24:11; 43:16; De 28:29; 1Mp 18:26) Fotoana voafaritra kokoa ny hoe “raha vao miposaka ny masoandro” (Mpts 9:33), “tamin’ny fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka” (Ge 3:8), “tamin’ilay nahamay be iny ny andro” (Ge 18:1; 1Sa 11:11), ary “rehefa hilentika ny masoandro” (Js 10:27; Le 22:7). ‘Teo anelanelan’ny takariva roa’ ny zanak’ondrin’ny Paska no novonoina (Ek 12:6), izany hoe toa teo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny alina, hoy ny manam-pahaizana sasany sy ny Jiosy karahita ary ny Samaritanina. Ny Fariseo sy ny mpianatr’ireo raby kosa nilaza hoe teo anelanelan’ny fanombohan’ny filentehan’ny masoandro sy ny tena filentehany izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara