-
MpanelanelanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona. Tsy maintsy napetraka teo amin’ny toerany aloha ireo voatendry ho mpisorona tao amin’ny fianakavian’i Arona, vao afaka nanomboka ny asany. I Mosesy, ilay mpanelanelana nofidin’Andriamanitra, no niandraikitra izany tamin’ny 1-7 Nisana 1512 T.K. Nohosorany tamin’ny menaka manokana ny tranolay sy ny fanaka ary ny fitaovana tao, ary nohosorany koa i Arona. Nasiany fanatitra teo ambony tanan’i Arona sy ny zanany lahy, ary avy eo nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ny tanan’izy ireo, mba hanokanana azy ireo na ‘hanomezana fahefana azy ireo ho mpisorona.’ Nakany ny menaka fanosorana sy ny ra teo amin’ny alitara, ary nafafiny tamin’izy ireo. Anisan’ny andraikitr’i Mosesy àry ny nametraka ny mpisorona teo amin’ny toerany mba hahafahan’izy ireo manomboka ny asa fisoronana, izay lafiny iray tamin’ny fifaneken’ny Lalàna.—Le 8; He 7:11; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY.
-
-
MosesyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Notendren’Andriamanitra ho mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovany tamin’ny Israelita i Mosesy. Tsy nisy olona akaiky an’i Jehovah toy izany, ankoatra an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Nafafin’i Mosesy teo amin’ny bokin’ny fifanekena sy tamin’ny vahoaka (azo antoka fa ny anti-panahy no solontenan’ny vahoaka) ny ran’ny biby natao sorona. Ilay boky mantsy no toy ny hoe solontenan’i Jehovah, ary i Jehovah sy ny vahoaka no andaniny sy ankilany tamin’ilay fifanekena. Novakiny tamin’ny vahoaka ilay boky, ary hoy ny vahoaka: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Ek 24:3-8; He 9:19) Mpanelanelana i Mosesy ka andraikiny ny nanara-maso ny fanamboarana ny tranolay masina sy ny fitaovana tao. Andriamanitra no nanome azy ny modelin’ilay tranolay. Andraikiny koa ny nametraka ny mpisorona teo amin’ny toerany sy nanosotra an’ilay tranolay sy Arona mpisoronabe tamin’ny menaka masina. Niandraikitra ny asa fisoronana voalohany nataon’ireo mpisorona vaovao izy avy eo.—Ek toko 25-29; Le toko 8, 9.
-